Fanatrehana Fivoriana Tsy Tapaka — Tena Ilaina ho An’ny Fiorenantsika Mafy
1 Nampirisika mafy antsika mba hitoetra ho ‘salama amin’ny finoana’ ny apostoly Paoly. (Tit. 1:9, 13, fanamarihana ambany pejy). Any amin’ireo fivorian’ny kongregasiona, dia mandinika hevitra mahasoa isika, ary ampianarina ny fomba hitafiantsika hatrany fiadiana ara-panahy amin’ny fomba feno, mba hahafahantsika “hiorina mafy mba hanoherana ny fanangolen’ny devoly”. — Efes. 6:11, NW; Fil. 4:8.
2 Manome izay ilaintsika ireo fivoriana: Ny fanatrehana tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasiona dia tena ilaina ho an’ny fiorenantsika mafy. (1 Kor. 16:13, NW). Any amin’ireo fivoriana dia misy vavaka atao ho fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra, ary koa mba hangatahana aminy izay hahasoa ny kongregasiona sy izay ilainy. (Fil. 4:6, 7). Ny fiaraha-mihira ny hiran’ilay Fanjakana dia mampitraka antsika sy manampy antsika haneho ireo fihetseham-pontsika sy ireo zavatra tsapantsika, eo am-panolorantsika fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. (Efes. 5:19, 20). Ny fifaneraserantsika any amin’ny Efitrano Fanjakana aloha sy aorian’ireo fivoriana dia mampirisika antsika sy mampahatanjaka antsika ary mamelombelona antsika. — 1 Tes. 5:11.
3 Tamin’ny volana Aprily lasa teo, ilay lahateny ampahibemaso manokana hoe “Akaiky ny Faran’ny Fivavahan-diso” dia nandentika tamin-kery, tao an-tsain’ireo tia ny fahamarinana, ny ilana maika dia maika ny hanaovan-javatra avy hatrany mba hialana ao amin’i Babylona Lehibe. (Apok. 18:4). Nandritra ny volana Jona sy Jolay dia nandrisika toy inona moa ny nandinika lahatsoratra telo natao hianarana tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, momba ireo tsela-pahazavana izay nanome fahazavana ho an’ny lalan’ny marina! (Ohab. 4:18). Eritrereto izay tsy ho azontsika raha nanao tsirambina ny fanatrehana ireny fivoriana ireny isika.
4 Tamin’ny fivoriamben’ny distrikantsika “Mpidera An’Andriamanitra Amim-pifaliana”, dia nohamafisina ny ilana fampianarana izay hanatsara ny fanompoantsika. Araka ny tondroin’ny Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika, ao amin’ny pejy faha-73, ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika dia fandaharana iray atao mba hampianarana ny kongregasiona manontolo amin’ny fomba mitohy. Tsy afaka ny tsy hanararaotra an’io fampianarana io isika.
5 Ny Fivoriantsika Momba ny Fanompoana dia manomana antsika hahita vokatra kokoa eo amin’ny fanompoana. Naseho mazava izany tamin’ilay fivoriana izay nahazoantsika toromarika mba handraisantsika anjara tamin’ny fizarana be dia be ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 34. Tondraka ny fitahian’i Jehovah tamin’iny asa iny, araka ny hita tamin’ny vokatra tsy fahita firy naneran-tany. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 9:6, 7.) Ireo izay manatrika tsy tapaka ireo fivoriana dia nahazo fampaherezana, ary nanampy mba hisian’ny fanohanana ilay ezaka manokana.
6 Tamin’ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona, ny fahatsapantsika fahadodonana dia nampitomboin’ireo zavatra nianarantsika tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, noho ny fanampian’ny boky Fanambarana. Koa satria haingana be ny fizotran’ireo fisehoan-javatra eo amin’ny sehatr’izao tontolo izao, dia mila mahazo ny hevitry ny fahatanterahan’ireo faminaniana lalina kokoa ao amin’ny Apokalypsy isika.
7 Omeo ny laharam-pahamehana ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka: Any amin’ny tany maro izay izakan’ireo rahalahintsika fisedrana, dia mbola manaiky ny maha-zava-dehibe ny hiarahany mivory isan-kerinandro izy ireo. Ohatra, any Burundi, Rwanda, Libéria, Bosnia-Herzegovina, dia maro aoka izany ireo vaovao any amin’ireo fivoriana, hany ka tafakatra ho avo roa na telo heny mihitsy noho ny isan’ny mpitory ny isan’ny mpanatrika. Amin’izany fomba izany no anampian’i Jehovah an’ireo rahalahy mba haharitra amin’ny fanahy iray. — Fil. 1:27; Heb. 10:23-25.
8 Na iza na iza nety ho nanao tsirambina ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka dia tokony hanao dingana ankehitriny mba hanitsiana io fironana io. (Mpit. 4:9-12). Mba hiorenana mafy, isika dia mila ilay fifanakalozana ifanaovantsika amin’ny olona matotra, ary azo avy amin’ny fanatrehana fivoriana tsy tapaka izany. — Rom. 1:11, NW.