Mbola Tsy Tretrika toy Izao Mihitsy Isika Amin’ny Lafiny Ara-panahy!
1 Ny ankamaroan’ny olona dia maniry fatratra ny hahatongavan’ny andro izay hahafahan’izy ireo hiteny hoe: “Mbola tsy tretrika toy izao mihitsy isika!” Ao an-tsain’izy ireo, dia ho tonga io andro io rehefa hanan-javatra ara-nofo tondraka, izay hamela azy ireo ‘hitsahatra, hihinana sy hisotro ary hifaly’ izy ireo. (Lioka 12:19). Mifanohitra amin’izany kosa, dieny ankehitriny isika dia efa afaka milaza fa, amin’ny heviny ara-panahy, dia tsy orin-java-tsoa isika. (Sal. 34:10). Ahoana no hetezan’izany?
2 Manambara ny Ohabolana 10:22 fa “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena”. Isika izay mahazo sitraka amin’Andriamanitra toy izany, dia afaka milaza marina tokoa fa “manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika” Andriamanitra. (1 Tim. 6:17). Izany no mahatonga antsika ho ny olona manankarena indrindra eto an-tany!
3 Fitanisana ireo fitahiana ananantsika: Vitsy amintsika no manan-javatra ara-nofo tondraka. Kanefa, dia mahazo fitahiana isika satria tsy mitebiteby tafahoatra momba ireo zavatra tena ilaina isan’andro. Fantatr’i Jehovah ireo zavatra ilaintsika, ary mampanantena izy fa hanome azy ireo. (Matio 6:31-33). Manome antsika fiadanan-tsaina tena tsy voavidim-bola aman-karena ny fanomezan-toky ataony.
4 Ireo fitahiana ara-panahy ananantsika anefa, dia mbola lehibe kokoa. Miankina amin’ny sakafo ara-panahy avy amin’i Jehovah ny aintsika. (Matio 4:4). Ireo izay miantehitra amin’ny loharano araka an’izao tontolo izao mba hahazoana hanina ara-panahy dia ho mosarena, fa isika kosa mihinana sy misotro mandra-pahafa-po antsika. (Isaia 65:13). Ny “mpanompo mahatoky” dia manome antsika fahafahana hahazo tahiry tsy mety ritran’ny fahalalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay. — Matio 24:45; Jaona 17:3.
5 Ny firahalahiantsika maneran-tany sarobidy dia manome antsika ny fiarahana mafana amin’ny rahalahy sy anabavy feno fitiavana monina any amin’ny faritra rehetra eto an-tany. (Jaona 13:35). Ny kongregasiona eo an-toerana dia fialofam-piadanana, izay ahafahantsika mahita fampiononana sy famelombelomana. Ireo loholona dia miambina ny fanahintsika, ka manampy antsika handresy karazan-java-manahirana maro. (Heb. 13:17). Ny fanatonantsika akaiky an’ireo rahalahintsika dia miteraka fifanakalozana fampaherezana, ka mampahatanjaka antsika mba haharitra. — Rom. 1:11, 12, NW.
6 Na dia ny asantsika aza dia fitahiana. Asa ara-nofo maro no manorisory sy tsy mahafa-po. Ny fizarana ilay vaovao tsara dia mitondra fifaliana ho an’ny hafa sy fahasambarana ho an’ny tenantsika. (Asa. 20:35). Tena afaka mampahafinaritra ny tenantsika amin’ny fisasarantsika isika. — Mpit. 2:24.
7 Ambonin’ny zava-drehetra, dia manana fanantenana mahatalanjona ho an’ny hoavy isika. (Rom. 12:12). Miandrandra tontolo vaovao tonga lafatra hisian’ny fahamarinana, izay hiainantsika miaraka amin’ireo olon-tiantsika ao anatin’ny fahasambarana sy ny fiadanana mandrakizay, isika! Io fanantenana io dia harena izay mendrika noho ny zavatra hafa rehetra atolotr’itỳ tontolo itỳ. — 1 Tim. 6:19.
8 Ahoana no ahafahantsika mampiseho ny fankasitrahantsika? Tsy afaka mamerina amin’i Jehovah izay nataony ho antsika mihitsy isika. Afaka maneho ny fankasitrahantsika fotsiny isika amin’ny 1) fisaorana azy isan’andro noho ny hatsaram-panahiny amin’izay tsy mendrika akory, (Efes. 5:20), 2) fampisehoana ny fitiavantsika amin’ny fisehoana ho mpankato, (1 Jaona 5:3), 3) fanamasinana ny anarany amin’ny fitoriana ilay vaovao tsara, (Sal. 83:18), ary 4) fanohanana ny kongregasiona kristiana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny fo manontolo. — 1 Tim. 3:15, NW.
9 Manana ny antony rehetra hahatonga antsika ho ny vahoaka sambatra indrindra eto an-tany isika. (Sal. 144:15b, NW ). Enga anie ny fihetsitsika sy ny fitondran-tenantsika ary ny fanompoantsika ka hanome taratry ny fifaliana tsapantsika ao amin’ny paradisantsika ara-panahy. Mbola tsy tretrika toy izao mihitsy isika!