Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
“Fitadidiana Tsara ao An-tsaina ny Andron’i Jehovah” no ho foto-kevitry ny fandaharan’ny fivoriamben’ny fizaran-tany roa andro, hanomboka amin’ny Septambra. (2 Pet. 3:12, NW ). Nokendrena izy io mba hanairana ao amintsika ny fahatsapantsika fahadodonana. Tsy ho ela, dia hiharan’ny didim-pitsaran’i Jehovah ireo mponina amin’ny tany. Iza no ho tafita velona amin’ny “andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”? Tsy misy afa-tsy ireo izay mitoetra ho mifoha ara-panahy sy manorina fiainana ahitana ‘fitondran-tena masina sy asa mampiseho fifikirana amin’Andriamanitra’. — Apok. 16:14; 2 Pet. 3:11, NW.
Tena ilaina ny batisa mba hahatafitana velona amin’ny andron’i Jehovah. (1 Pet. 3:21). Ireo mpitory maniry hatao batisa amin’ilay fivoriambe dia tokony hilaza amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, izay hanao ireo fandaharana ilaina.
Hisy fitohitohizan-dahateny mizara efatra hoe “Ilay Karazan’olona Tokony Hampiavaka Antsika”, izay hampiseho mazava hoe asa inona avy no tafiditra amin’ny fitadidiana tsara ao an-tsaina ny fanatrehan’ny andron’i Jehovah. Ny lahateny ampahibemaso hoe “Manaova Zavatra Amim-pahendrena Satria Antomotra ny Andron’i Jehovah”, dia hanazava ny hevitry ny hoe ‘mitady an’i Jehovah sy ny fahamarinana ary ny fandeferana’, mba ho tafita velona. — Zef. 2:3.
Ilay fivoriamben’ny fizaran-tany dia hifarana amin’ny lahateny roa mandrisika hataon’ireo mpiandraikitra mpitety faritany, ka ny lohateniny dia hoe: “Mihodinkodina eo Amin’ny Fahamarinana ve ny Fiainanao?” ary hoe “Fanaovana Fandaharana Mialoha Amin’ny Fitadidiana ao An-tsaina ny Andron’i Jehovah”. Hanosika antsika handinika ny fiainantsika sy hanao izay mety ho fanitsiana ilaina ireo lahateny ireo. Ny faminaniana ao amin’ny Baiboly sy ireo fisehoan-javatra maneran-tany dia manondro mazava fa antomotra ny andron’i Jehovah. Io fandaharan’ny fivoriambe io dia hampirisika antsika ‘hahonon-tena sy hiambina’. (1 Pet. 5:8). Manaova fandaharana voafaritra tsara mialoha mba hanatrehana ireo andro roa ireo.