Tokony ho Mpampianatra Isika fa Tsy ho Mpitory Fotsiny
1 Voamarika fa “nameno ara-bakiteny ny tany tamin’ny fitoriany, ny Vavolombelon’i Jehovah”. Ahoana no netezan’izany? Tsy noho ny hery na tanjak’olombelona akory, fa noho ny fanahin’Andriamanitra miasa eo amin’ireo mpanompony kosa, eo am-pampiasan’izy ireo ny fanomezana isan-karazany mba hanatanterahany ny fanirahana azy hitory sy hampianatra. — Zak. 4:6; Asa. 1:8.
2 Fomba iray mandaitra hanatanterahana ny asa fitoriantsika ny pejy vita pirinty. Nandritra ireo taona, dia boky, bokikely sy gazety ary taratasy mivalona an’arivo tapitrisany maro no natao pirinty sy naparitaky ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanampiana hampahafantarana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Mampiseho ireo tatitra ao amin’ny Diary 1997 fa nahatratra tampon’isa ny famokarana zavatra vita an-tsoratra. Hatramin’izao, dia Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao 91 tapitrisa no natao pirinty. Tao anatin’ny herintaona, dia nitombo 7,1 isan-jato ny isan’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! natao pirinty tany Etazonia. Tany Alemaina dia nitombo 35 isan-jato ny famokarana gazety. Maherin’ny ampahatelon’ireo gazety vokarina any no ho an’ny saha rosiana.
3 Nahoana no misy zavatra vita an-tsoratra maro be aoka izany ilaina? Maneran-tany dia nisy olona maro be nanaiky noho ny fampirisihana nomena antsika mba hanao fanambarana amin’ny olona na aiza na aiza mety hahitana azy ireny. Noho ny maro amintsika manitatra ny asa fanambarana ataontsika — eny amin’ireo toeram-bahoaka sy eny an-dalana ary any amin’ny faritany be fandraharahana — dia nisy zavatra vita an-tsoratra maro kokoa napetraka tamin’ny olona maneho fahalianana sasany. Maro amin’izy ireny no zara fa nanana na tsy nanana mihitsy fahafahana handre ny hafatra momba ilay Fanjakana teo aloha. Mba hanomezana fahafaham-po izany zavatra ilaina izany, ireo kongregasiona dia mitahiry zavatra vita an-tsoratra isan-karazany mba hampiasaina amin’ireo endriny rehetra amin’ny fanompoana.
4 Inona no zava-kendrentsika amin’ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra? Tsy ny hametraka zavatra vita an-tsoratra fotsiny no zava-kendrentsika. Mahatafiditra lafin-javatra roa ny fanirahana hanao mpianatra — fitoriana sy fampianarana. Voalohany, dia manana tombontsoa ny hitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isika, hanao izay hahafantaran’ny olona fa izy io no hany fanantenana ho an’ny taranak’olombelona. (Matio 10:7; 24:14). Ireo zavatra vita an-tsoratra ara-baiboly vokarintsika dia hita ho mandaitra sy fomba mahomby mba hanairana ny fahalianana sy hizarana ny fahalalana mahakasika ilay Fanjakana amin’ny hafa.
5 Faharoa, raha tiantsika ny hanao mpianatra, dia tsy maintsy mampianatra ny zavatra rehetra nandidian’i Jesosy isika. (Matio 11:1; 28:19, 20). Eto indray koa, dia manana anjara asa lehibe eo amin’ny fandentehantsika ny fahamarinana ho ao am-pon’ireo mpianatra, amin’ny fanampiana azy ireny ho tonga mpianatra, ireo zavatra vita an-tsoratra.
6 Mety ho ‘mpihaino ny teny’ ireo nandray zavatra vita an-tsoratra, kanefa tsy azo inoana fa ho tonga mpankatò azy io izy ireo raha tsy misy manampy. (Jak. 1:22-25). Olona vitsy monja no ho tonga mpianatra raha tsy misy olona mitarika azy ireny. (Asa. 8:30, 31). Mila mpampianatra izy ireny mba hanampy azy hanaporofo aminy ny fahamarinana hita ao amin’ny Soratra Masina. (Asa. 17:2, 3). Ny zava-kendrentsika dia ny hanampy azy ireo handroso ka ho tonga hatramin’ny fanoloran-tena sy ny batisa, sy ny hampiofana azy ireny mba hahatonga azy hanana fahaizana ampy hampianarana ny hafa. — 2 Tim. 2:2.
7 Ny zavatra ilaintsika indrindra dia mpampianatra maro kokoa: Rehefa mitory isika dia manambara ampahibemaso ny vaovao tsara. Kanefa, ny fampianarana dia mahatafiditra ny fanabeazana miandalana ny olona iray. Raha mahatonga ny hafa hahafantatra ny hafatra momba ilay Fanjakana ny fitoriana, ny fampianarana kosa dia manampy ny tsirairay hanaiky ny vaovao tsara sy hanao zavatra mifanaraka amin’izany. (Lioka 8:15). Manao bebe kokoa noho ny manambara ny mpampianatra iray; manazava izy, manjohy hevitra amin’ny fanaporofoan-kevitra tsara, manome porofo, ary mandresy lahatra.
8 Tokony ho mpampianatra koa ny maro indrindra araka izay azo atao amintsika, fa tsy ho mpitory fotsiny. (Heb. 5:12a). Tapany lehibe amin’ny asantsika ny fizarana zavatra vita an-tsoratra, nefa ny fanatratrarana ilay zava-kendrena faharoa amin’ny fanompoantsika dia miankina indrindra amin’ny zavatra ataontsika amin’ny maha-mpampianatra. Na dia faly aza isika rehefa afaka mametraka zavatra vita an-tsoratra, mba hanatanterahana amin’ny fomba feno ny fanompoantsika, dia tsy tokony hihevitra ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra ho ny zava-kendrentsika farany isika. (2 Tim. 4:5). Ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra dia fomba iray mahomby hanokafana ny varavaran’ny fahafahana hampianatra ny fahamarinana amin’ny hafa.
9 Manaova fiverenana mitsidika mba hanombohana fampianarana Baiboly: Maro amintsika no azo inoana fa nahapetraka boky sy bokikely ary gazety maro be, ka nanangona lisitra fiverenana mitsidika. Tokony handahatra fotoana tsy tapaka hiverenana isika mba hanolokoloana ny fahalianana. Tsy ny hametraka zavatra vita an-tsoratra betsaka kokoa fotsiny no zava-kendrentsika lehibe indrindra amin’ny fiverenana fa mba hampirisika ny olona koa hamaky sy handray soa avy amin’izay zavatra efa ananany. Fandrosoana ara-panahy nanao ahoana no ho nataontsika raha tsy nisy olona niverimberina mba hanampy antsika hahazo ny fahalalana araka ny marina? — Jaona 17:3.
10 Kolokoloy ny fahalianana rehetra, amin’ny fikendrena ny hanomboka fampianarana Baiboly, na amin’ilay bokikely hoe Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? na amin’ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Ireo zavatra vita an-tsoratra roa ireo dia mampiseho ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ny endriny mora azo. Mirakitra fandaharam-pampianarana feno tsara, mahatafiditra ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly, ny bokikely Takina. Mahatonga ny olona iray ho afaka hampianatra ny fahamarinana amin’ny antsipiriany bebe kokoa, nefa amin’ny fomba tsotra sy mazava ary fohy, ny boky Fahalalana.
11 Ny fandaharam-pampianarana notsorina, araka ny hazavaina ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996, dia mahatonga ny fampianarana ho mora ho an’ny mpampianatra ary ny fianarana ho an’ny mpianatra. Mitahiriza kopian’io takelaka fanampiny io ho vonona hampiasaina avy hatrany, mba hijerena ireo fomba sy teknika fampianarana izay voaporofo ho mandaitra. Ny sasany amin’ireo tsipy hevitra omeny dia mahatafiditra ny fomba anehoana tena fahalianana manokana amin’ilay mpianatra, ny halavan’ny fanazavana hovitaina ao anatin’ny fianarana iray, ny fomba amaliana ireo fanontaniana izay tsy mifandray amin’ilay foto-kevitra sy ny fomba ahafahan’ny mpampianatra sy ny mpianatra samy miomana mialoha ho amin’ilay fianarana ary ny fomba itarihana ilay mpianatra ho amin’ny fandaminan’i Jehovah. Rehefa manaraka ireo tsipy hevitra ireo isika, dia ho maro kokoa amintsika, anisan’izany ireo vaovao, no ho afaka hitarika fampianarana mandroso.
12 Tatitra momba ny fahombiazana tsara avy eny amin’ny saha: Hita ho fanampiana sarobidy amin’ny fanafainganana ny asa fanaovana mpianatra, ny bokikely Takina sy ny boky Fahalalana. Rehefa naharay ny bokikely Takina ny rahalahy iray any Bolivia, dia nampiasa azy io avy hatrany mba hanombohana fampianarana tamin’ny lehilahy iray. Efa-bolana tatỳ aoriana, tamin’ny fivoriamben’ny distrika iray, dia anisan’ireo mpilatsaka hatao batisa falifaly io mpianatra io!
13 Maro no voatosika hanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah rehefa avy namita ny fianarany ny boky Fahalalana. Tao amin’ny kongregasiona iray any Angola, dia niakatra ho 260 ny isan’ny fampianarana Baiboly 190 notarihin’ireo mpitory, ary nitombo avo roa heny ny isan’ny mpanatrika fivoriana 180, ka lasa 360, tao anatin’ny efa-bolana monja taorian’ny nanombohana nampiasa ny boky Fahalalana teo amin’io faritra io. Tsy ela taorian’izay dia nilaina ny nanangana kongregasiona vaovao iray.
14 Taorian’ny nanombohan’ny rahalahy iray ny fampianarany voalohany amin’ny boky Fahalalana, dia nilaza izy momba ny fitarihana azy io fa “tsotra [izany] raha toa ilay mpampianatra mametraka fotsiny ireo fanontaniana sy mamaky ireo andinin-teny sasany mifandray amin’izany ary manao izay hahazoana antoka fa azon’ilay mpianatra izany”. Na dia nihevitra foana aza izy fa ireo mpitory tena mahay ihany no afaka mitarika fampianarana Baiboly mandroso ka tsy ho afaka hanao izany mihitsy izy, dia nahatakatra izy fa azony atao ny manao izany tamin’ny filazana hoe: “Raha izaho aza mahavita, dia mahavita an’izany ny rehetra.”
15 Amin’ny alalan’ny fitarihana fampianarana Baiboly, izay tapany amin’ny fanompoantsika, no anatratrarantsika ilay zava-kendrena ny amin’ny fanaovana mpianatra. Ireo izay nampitombo ny fahaizana mandray anjara amin’io lafiny amin’ny fanompoana io dia mahita azy io ho tena mahafa-po sy ahitan-tsoa tondraka. Enga anie mba holazaina ny amintsika fa hoe ‘mitory ny fanjakan’Andriamanitra ka mampianatra ny amin’i Jesosy Kristy Tompo amin’ny fahasahiana be’ koa isika. — Asa. 28:31.