Ampitao Tsikelikely Amin’ny Hafa ny Fanantenana ny Fiainana Mandrakizay
1 Na dia nikaroka fomba hampiadanana ny fihanterana sy hanitarana ny androm-piainany aza ny olona, dia mbola tsy azo ialana ihany ny fahanterana sy ny fahafatesana. Tena velom-pankasitrahana mihitsy isika, satria manazava amintsika ny Baiboly hoe nahoana ny olombelona no mihantitra sy maty, ary koa hoe amin’ny fomba ahoana no hikosohana ireo fandravana ateraky ny fahanterana sy hanafoanana ny fahafatesana. Aseho amin’ny fomba mampiaiky ao amin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ireo fahamarinana ireo. Mamaly amin’ny fomba mazava ireo fanontaniana mahasanganehana momba ny fiainana sy ny fahafatesana ilay boky, ary manondro amin’ny mpamaky ny fotoana hamerenana amin’ny laoniny ny Paradisa.
2 Hanolotra ny boky Fahalalana, amin’ny fikendrena ny hanomboka fampianarana Baiboly isika amin’ny Martsa. (Matio 28:19, 20). Avy eo dia hiverina hitsidika an’izay rehetra maneho fahalianana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana isika. Amin’izany fomba izany dia mety hampita tsikelikely ao amin’ny hafa ny fanantenana ny fiainana mandrakizay isika. (Tit. 1:2). Mba hanatanterahana izany, dia mety hahita ireto fanoloran-kevitra manaraka ireto ho mahasoa ianao.
3 Rehefa manao ny fitsidihana voalohany ianao, dia mety hametraka izao fanontaniana izao:
◼ “Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny olombelona no maniry mafy fiainana lavalava kokoa? [Avelao izy hamaly.] Ny Bodista, ny Kristiana, ny Hindoa, ny Miozolimanina, sy ny hafa koa dia samy manantena fa misy fiainana aorian’ny fahafatesana.” Sokafy ny boky Fahalalana ao amin’ny toko faha-6 manao hoe: “Nahoana Isika no Mihantitra sy Maty?”, ary vakio ny fehintsoratra faha-3. Manjohia hevitra amin’ny alalan’ireo andinin-teny voatonona. Asio firesahana ireo fanontaniana roa eo amin’ny faran’ilay fehintsoratra, ary anontanio ilay tompon-trano raha maniry hahita ny valiny ho an’ny tenany izy. Raha maniry izany izy, dia tohizo ny fiaraha-miresaka ireo fehintsoratra vitsivitsy manaraka. Efa atomboka sahady ny fianarana! Raha tsy izany, dia avelao hovakiny ilay boky, ary manaova fandaharana mba hiverina, tsara kokoa raha afaka iray na roa andro, mba hiresahana ireo valiny.
4 Rehefa manolokolo ny fahalianan’ny olona nametrahana ny boky “Fahalalana”, dia afaka milaza toy izao ianao:
◼ “Niverina aho mba handinika ireo fanontaniana roa momba ny fahafatesana izay mbola tsy novaliantsika.” Ampahatsiahivo an’ilay tompon-trano ireo fanontaniana. Avy eo dia resaho ny fanazavana ao amin’ny toko faha-6 eo ambanin’ilay lohatenikely hoe “Tetika mahatsiravina iray”. Arakaraka ny toe-javatra, na hanohy ilay fianarana ianao, na hampiasa ilay fanontaniana farany ao amin’ny fehintsoratra faha-7 ianao, mba hametrahana fototra ho amin’ny fianarana manaraka. Manaova fandaharana voafaritra tsara mba hiverina. Omeo taratasy fanasana ilay tompon-trano, ary lazalazao vetivety ny fomba anaovana ireo fivorian’ny kongregasiona. Asao amim-pitiavana izy mba hanatrika.
5 Na eo amin’ny fitoriana isam-baravarana, na rehefa manao fanambarana tsy ara-potoana, dia mety hanombo-dresaka ianao amin’ny filazana hoe:
◼ “Efa mba nanontany tena ve ianao hoe inona no hoentin’ny hoavy ho antsika sy ho an’ny tany? [Avelao izy hamaly.] Ny Baiboly dia mamintina ny hoavy amin’ny teny iray monja — Paradisa! Hazavainy fa tamin’ny voalohany, Andriamanitra dia nanao ny faritra iray tamin’ny tany ho paradisa tsara tarehy izay nametrahany ilay mpivady olombelona noforoniny. Natao hameno ny tany manontolo izy ireo, ary hanova azy io tsikelikely ho paradisa. Mariho izao filazalazana izao ny amin’ny tsy maintsy ho fisehoan’izy io.” Sokafy ny boky Fahalalana eo amin’ny pejy faha-8, ary vakio ny fehintsoratra faha-9, eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Fiainana ao amin’ny Paradisa”. Avy eo dia resaho ny hevitra eo amin’ny fehintsoratra faha-10, ary vakio ilay andinin-teny voatonona, dia ny Isaia 55:10, 11. Manolora ny hanohy ilay resadresaka ny amin’ny hoe hanao ahoana ny fiainana ao amin’ny Paradisa ho tafaverina amin’ny laoniny, sy ny hiara-mamita ny fehintsoratra faha-11 ka hatramin’ny faha-16. Na ampirisiho ilay olona mba hamaky azy io manokana, ary manaova fandaharana mba hihaona indray ary hiresaka ny amin’izy io.
6 Raha tsy tafaorina tamin’ny voalohany ny fianarana, dia afaka manandrana ny hanao izany ianao rehefa miverina mitsidika amin’ny filazana hoe:
◼ “Araka ny noresahintsika farany, dia fikasan’Andriamanitra ny hanovana ny tany manontolo ho paradisa. Mampipoitra izao fanontaniana izao izany: Hanao ahoana moa ilay Paradisa?” Sokafy ny boky Fahalalana ao amin’ny toko voalohany, ary diniho ny fehintsoratra faha-11 ka hatramin’ny faha-16, eo ambanin’ny lohatenikely hoe “Fiainana ao amin’ny paradisa ho tafaverina amin’ny laoniny”. Aorian’izany, dia asehoy ny sary eo amin’ny pejy faha-4 sy faha-5, ary anontanio ilay olona raha iriny ny hiaina ao amin’ny toerana tsara tarehy toy izany. Avy eo dia vakio ny fehezanteny voalohany ao amin’ny fehintsoratra faha-17 ao amin’ny pejy faha-10. Arakaraka ny toe-javatra, na hanohy ilay fianarana ianao, na hilaza ianao fa amin’ny fitsidihanao manaraka ianao dia hanazava izay takina amin’ny olona iray mba hiainany ao amin’ny Paradisa ho tafaverina amin’ny laoniny. Mametraha taratasy fanasana, ary hazavao ny fandaharam-potoanan’ny fivoriana, ka asao amim-pitiavana ilay olona hanatrika any amin’ny Efitrano Fanjakana.
7 Ny boky Fahalalana dia fitaovana faran’izay tsara hampiasaina mba hampiharihariana amin’ny hafa ny “fiainana mandrakizay” nampanantenain’Andriamanitra. Ny fitarihanao fampianarana Baiboly amin’ny olona dia afaka mampita tsikelikely amin’izy ireo io fanantenana lehibe izay ara-tsindrimandrin’ilay Andriamanitra “tsy mahay mandainga” io.