FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 9/98 p. 4
  • Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hankasitraka ireo mpitory maharitra eo amintsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Aoka isika hanohana ireo mpitory maharitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Ampio ny hafa mba ho kinga amin’ny fampiasana ny tenin’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Fomba Anitarana ny Fanompoana
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 9/98 p. 4

Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana

1 Hoy i Jesosy: “Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.” Koa satria vitsy an’isa sy nanana faritany betsaka hovitaina ireo mpamory vokatra tamin’ny taonjato voalohany, dia ho afaka nanome toromarika azy ireo handeha tsirairay àry i Jesosy mba hanatratrarana olona maro araka izay azo natao tamin’ny vaovao tsara. “Naniraka azy tsiroaroa” kosa anefa izy. (Lioka 10:1, 2). Nahoana no tsiroaroa?

2 Vaovao sy tsy za-draharaha ireo mpianatra ireo. Afaka nifampianatra sy nifampirisika izy ireo tamin’ny fiarahany niasa. Toy izao no nilazan’i Solomona izany: “Tsara ny roa noho ny iray”. (Mpit. 4:9, 10). Na dia taorian’ny nandatsahana ny fanahy masina tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i. aza, i Paoly sy i Barnabasy, ary ny hafa dia niaraka tamin’ny mpiray finoana teny amin’ny fanompoana. (Asa. 15:35). Tena tsy maintsy ho tombontsoa ho an’ny sasany izay nahazo fampiofanana manokana avy tamin’ny lehilahy nahay toy ireny, izany!

3 Fandaharam-pampiofanana tsara dia tsara: Mitovy amin’ny mifanitsy aminy tamin’ny taonjato voalohany, ny kôngregasiôna kristianina amin’izao andro izao dia fandaminana manao asa fitoriana. Manome antsika fampiofanana koa izy io. Ny hampiseho ny vaovao tsara amin’ny fomba mandaitra araka izay azo atao no tokony ho faniriantsika amim-pahatsorana, isam-batan’olona. Misy fanampiana azo raisina mba hahafahan’ny mpitory maro kokoa hanatsara ny fahitany vokatra.

4 Tany amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana natao vao haingana, ny Fikambanana dia nanambara fandaharana iray hanampian’ny mpisava lalana ny hafa eo amin’ny fanompoana. Misy ilana izany ve? Eny, misy. Mpitory maherin’ny iray tapitrisa no natao batisa tao anatin’ireo telo taona lasa, ary maro amin’izy ireny no mila fampiofanana mba hahita vokatra kokoa eo amin’ny asa fitoriana. Iza no azo ampiasaina mba hanome fahafaham-po amin’izany zavatra ilaina izany?

5 Afaka manampy ny mpisava lalana, na mpanompo manontolo andro. Manome azy ireo torohevitra sy fampiofanana betsaka ny fandaminan’i Jehovah. Mandray fampianarana mifanaraka amin’ny zavatra ilainy ireo mpisava lalana, any amin’ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana, maharitra tapa-bolana. Mandray soa koa izy ireo avy amin’ny fiaraha-mivory amin’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany sy ny distrika, ary ny tari-dalana avy amin’ireo loholona. Na dia tsy ny mpisava lalana rehetra aza no za-draharaha tahaka an’i Paoly sy Barnabasy, dia nandray fampiofanana sarobidy izy ireo ary faly mizara izany.

6 Iza no handray soa? Voafetra ho an’ny mpitory vaovao na ny olona natao batisa vao haingana ihany ve ny fananana anjara amin’io fandaharana io? Tsy izany velively! Misy tanora sy be taona izay nahafantatra ny fahamarinana efa hatramin’ny taona maro, nefa hankasitraka fanampiana eo amin’ny lafim-panompoana sasany. Mety ho tena havanana ny sasany eo amin’ny fametrahana zavatra vita an-tsoratra, nefa sahirana kosa eo amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika na fanombohana fampianarana Baiboly. Ny hafa mety hanomboka fampianarana Baiboly mora foana, nefa hahamarika fa tsy mandroso ireo olona ampianariny. Inona no manakana ireny mpianatra ireny? Mety hangatahina mba hanolotra fanampiana amin’izany lafiny izany ireo mpisava lalana za-draharaha. Ny mpisava lalana sasany dia mahita vokatra eo amin’ny fanolokoloana fahalianana, sy fanombohana fampianarana Baiboly, ary fitarihana ireo mpianatra vaovao ho ao amin’ny fandaminana. Hanampy betsaka ao amin’io fandaharana vaovao io izany fahaizany izany.

7 Hitanao ve fa tsy mamela anao hanohana ny fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ataon’ny kôngregasiôna tsy tapaka ny fandaharam-potoananao, kanefa izany no irinao? Mety ho afaka hiara-miasa aminao ny mpisava lalana iray amin’ny fotoana tsy ahafahan’ny mpitory hafa.

8 Ilaina ny fiaraha-miasa tsara: Indroa isan-taona, ny loholona dia hanao fandaharana ho an’ny mpitory izay maniry fanampiana manokana mba hanana anjara ao amin’ilay fandaharana hoe “Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana”. Raha manaiky handray fanampiana toy izany ianao, dia miaraha amin’ilay mpisava lalana notendrena hanampy anao, manaova fandaharam-potoana azo ampiharina ho amin’ny fanompoana, ary mifikira amin’izany. Hajao ny fotoana tsirairay nifanaovana. Diniho ireo fomba mandaitra hampisehoana ny vaovao tsara rehefa miara-miasa ianareo. Fakafakao hoe nahoana ny tari-dresaka sasany no mandaitra. Diniho ny hevitra izay mety hatolotr’ilay mpisava lalana mba hanatsarana ny fomba fampisehonao. Raha mampihatra ireo zavatra ianaranao ianao, dia hiharihary aminao sy amin’ny hafa ny fandrosoanao eo amin’ny fanompoana. (Jereo ny 1 Timoty 4:15.) Miaraha miasa matetika araka izay azo atao, amin’ny fandraisana anjara amin’ny lafim-panompoana rehetra, anisan’izany ny fanambarana tsy ara-potoana, nefa amin’ny fifantohana amin’ny lafiny iray izay ilanao fanampiana manokana.

9 Liana amin’ny fandrosoana vitanao ny mpiandraikitra ny fanompoana. Hanontany ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kôngregasiôna tsindraindray izy mba hahitany ny fomba nandraisanao soa avy tamin’ilay fandaharana. Hanampy anao toy izany koa ny mpiandraikitra ny fizaran-tany rehefa hitsidika ny kôngregasiôna izy.

10 Irin’i Jehovah ny hahazoan’ny vahoakany fampiofanana sy “[ho ampy fitaovana, NW ] ho amin’ny asa tsara rehetra”. (2 Tim. 3:17). Hevero ho toy ny fandaharana tsara dia tsara mba hanampiana ireo izay maniry hanatsara ny fahaizany mitory ny teny, ilay fandaharana hoe “Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana”. Raha manana tombontsoa handray anjara amin’izany ianao, dia ataovy amim-pankasitrahana sy amim-panetren-tena, ary amim-pifaliana izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara