“Mahareta”
1 Tena zava-dehibe ny ‘haharetantsika’ eo am-piandrasana ny andro fanafahan’i Jehovah sy eo am-pahitana fa efa mihamanatona ny faran’ny fandehan-javatra tranainin’i Satana. Amin’izao ora faramparany izao indrindra ireo fanahy ratsy fahavalontsika no tapa-kevitra ny hampivily ny saintsika ho lavitra ilay raharaha lehibe indrindra momba ny fiandrianan’i Jehovah, sy haka fanahy antsika mba ho voahelingelin’ny tombontsoan’ny tenantsika manokana maro be. Amin’izany fomba izany no hamitahan’i Satana antsika hiala na hiadam-pandeha eo amin’ny asa fitoriana ilay Fanjakana. (Jak. 5:7, 8; Matio 24:13, 14). Amin’ny fomba ahoana avy no ahafahantsika mampiseho izany faharetana tena ilaina izany?
2 Amin’ny fiezahana hanindry fo: Hanampy antsika haharitra eo amin’ny fitoriana ny fiezahana hanindry fo, rehefa tojo tsy firaharahana na fanoherana isika eo amin’ny fanompoantsika. Tsy ho mora ampitahorina na ho mora tafintohina isika raha sendra olona henjankenjam-pihetsika na masiaka. (1 Pet. 2:23). Io tanjaka anaty io dia afaka misakana antsika tsy hanao resaka manakivy momba ny olona eny amin’ny faritanintsika izay mampiseho tsy firaikana na fankahalana ny asantsika, satria takatsika fa hahakivy antsika sy ireo miara-miasa amintsika eny amin’ny fanompoana izany resaka izany.
3 Amin’ny fikirizana ombam-paharetana: Mila tsy hanam-paharetana intsony isika rehefa tsy hitantsika ao an-trano indray ilay olona liana, taorian’ny resadresaka nahafinaritra nifanaovana taminy teny amin’ny fanompoana. Marina koa izany raha miadana kely ny fandrosoan’ireo miara-mianatra amintsika sy ny fiandaniany amin’ny fahamarinana. Kanefa, matetika no miteraka vokany tsara ny fikirizana ombam-paharetana. (Gal. 6:9). Nitsidika imbetsaka ny tovovavy iray ny anabavy iray vao tena nanomboka ny fampianarana Baiboly. Sahiran-tsaina tamin-javatra hafa ilay vehivavy, tamin’ireo fitsidihana dimy voalohany. Kotsan’ny oram-baratra ilay anabavy tamin’ny fanandramany fahenina, kanefa tsy nahita olona tao an-trano akory izy. Tapa-kevitra ny hiala nenina tamin’ilay vehivavy ihany ilay anabavy, na dia izany aza, ka nitsidika azy indray, ary nahita azy vonona ny hianatra. Nanao fandrosoana hatrany ilay mpianatra taorian’izay, ary nanolotra ny fiainany ho an’i Jehovah, tao anatin’ny fotoana fohy.
4 Fantatsika fa tsy ho diso aoriana ny andron’i Jehovah. Koa miandry ny hanatontosany ny fikasany isika, amin’ny fahafantarana fa hitera-boka-tsoa ny faharetan’Andriamanitra. (Hab. 2:3; 2 Pet. 3:9-15). Tsy maintsy maneho faharetana tahaka ny ataon’i Jehovah isika, ary tsy hiala amin’ny fanompoana. “Amin’ny finoana sy ny faharetana”, dia mitodiha any amin’i Jehovah mba hamaliany soa anao amin’ny asa mafy ataonao. — Heb. 6:10-12.