Manao Asa Fanampiana Sarobidy ny Mpanampy Amin’ny Fanompoana
1 “Efa nasehon’izy ireo fa tena nanolo-tena ho an’Andriamanitra izy. Nampiseho ny finoany koa izy ireo tamin’ny fandraisana anjara amin-jotom-po amin’ny asan’ilay Fanjakana sy tamin’ny fanampiana olon-kafa hatanjaka ao amin’ny finoana.” Toy izany no lazain’ny Voalamina mba Hanatanteraka Tsara ny Fanompoantsika, ao amin’ny pejy faha-56, momba ny mpanampy amin’ny fanompoana. Eny tokoa, mendri-kotahafina ny ohatra ara-panahy avelan’ireo mpanampy amin’ny fanompoana eo anivontsika. Ny fiaraha-miasa amin’izy ireo sy amin’ireo loholona dia ‘mampandroso ny tena amin’ny fitiavana’. — Efes. 4:16.
2 Manao asa tena ilaina ao amin’ny kôngregasiôna ny mpanampy amin’ny fanompoana. Eritrereto ny asa fanampiana sarobidy rehetra ataony! Mikarakara ny kaonty, ny boky, ny gazety, ny famandrihana, ary ny faritany izy ireo; mikarakara ny mpanatrika, sy ny fitaovam-panamafisam-peo koa izy ireo, ary manampy amin’ny fikojakojana ny Efitrano Fanjakana. Mandray anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika sy ny Fivoriana momba ny Fanompoana izy ireo. Mety hanao lahateny ampahibemaso na hitarika ny fivoriana sasany ataon’ny kôngregasiôna mihitsy aza ny sasany aminy. Tahaka ireo rantsambatana amin’ny tena, dia manao asa fanampiana izay ilaintsika ny mpanampy amin’ny fanompoana. — 1 Kor. 12:12-26.
3 Ny fahitana ireo mpanampy amin’ny fanompoana miara-miasa amim-pirindrana amin’ireo loholona ary ny fahitana io fitambara-mpanompo io manontolo mifaneho fanajana sy fifankahazoan-kevitra, dia mampirisika ny hafa hanao toy izany. (Kol. 2:19). Amin’ny fanatanterahana amim-pahatokiana ny andraikiny isan-kerinandro sy amin’ny fanehoana fiheverana manokana ny hafa, dia manampy ny kôngregasiôna handroso ara-panahy izy ireo.
4 Inona no azontsika atao mba hanehoana ny fankasitrahantsika ireo mpanampy amin’ny fanompoana miasa mafy? Mila ny mahafantatra ireo andraikitra nanendrena azy isika, sy mampiseho fahavononana ny hiara-miasa rehefa ilaina ny fanampiantsika. Amin’ny teny sy ny atao, dia afaka mampahafantatra azy ireo isika fa ankasitrahana ny asany. (Ohab. 15:23). Mendrika ny hahazo fankasitrahana amim-pahatsorana ireo izay mikely aina ho antsika. — 1 Tes. 5:12, 13.
5 Mamaritra ireo anjara asa sy fepetra takina amin’ny mpanampy amin’ny fanompoana, ny Tenin’Andriamanitra. (1 Tim. 3:8-10, 12, 13). Tena ilaina mba hizoran’ny kôngregasiôna tsara ny fanompoana masina sy sarobidy ataon’izy ireo. Mendrika ny fampaherezana mitohy avy amintsika ny lehilahy toy ireny, satria manana ‘zavatra be dia be hatao foana amin’ny asan’ny Tompo’ izy rehetra. — 1 Kor. 15:58, NW.