FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/99 p. 1
  • Manaova Fandaharana Mialoha!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manaova Fandaharana Mialoha!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona avy Ireo Fandaharana Mialoha Ataonao ho Amin’ireo Volana ho Avy?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • “Hotanterahiny Anie ny Fikasanao Rehetra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Ampiasao Amim-pahendrena ny Fotoananao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Tohizo Hatrany Ireo Asa Teokratika Mandritra ny Fotoam-pialan-tsasatra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 5/99 p. 1

Manaova Fandaharana Mialoha!

1 Manomana fandaharan’asa teôkratika tsy tapaka, izay natao hanomezana fahafaham-po amin’ny zavatra ilaintsika ara-panahy, ny fandaminan’i Jehovah. Ny fankasitrahana dia manosika antsika hanararaotra amin’ny fomba feno ny zavatra rehetra nalamina, toy ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety faritany sy ny fivoriambe ary ny asa manokana hafa nanaovana fandaharana mialoha teo an-toerana. (Matio 5:3). Kanefa, mamoy zava-tsoa maro amin’ireny fandaharana ara-panahy ireny ny sasany, noho ny fandaharana hafa nataony. Inona no azo atao mba hisorohana izany? Ahoana no ahafahantsika mahazo antoka fa ireo fanaovan-javatra tsy teôkratika dia tsy hanilika “ireo zavatra lehibe kokoa”? — Fil. 1:10, NW.

2 Tena ilaina ny fanaovana fandaharana mialoha amim-pahendrena: Mananatra toy izao ny Ohabolana 21:5: “[Azo antoka fa ahitana tombony ny fandaharana mialoha ataon’izay mitandrina, NW ]; fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.” Mba handraisana “tombony” ara-panahy, dia mila manao fandaharana mialoha amim-pitandremana isika, ka hitadidy ireo asa teôkratika izay efa nalamina. Tokony handamina ny asan’ny tenantsika manokana ho amin’ny fotoana izay tsy hanelingelenany ny maha eo antsika mba handray fitahiana ara-panahy isika. Raha maimay hanao fandaharana mialoha ho amin’ny zavatra tian’ny tenantsika manokana hatao, tsy misy fieritreretana ireo fisehoan-javatra teôkratika ho avy isika, dia azo inoana fa “halahelo” ara-panahy.

3 Aoka ianao tsy ho diso anjara! Manao fandaharana mialoha ho an’ny hoavy isika rehetra, anisan’izany ny vakansy, ny dia atao noho ny asa, ny fitsidihana havana, ary ny toy izany. Alohan’ny hanekenao izany na hamitanao ny fandaharanao, dia jereo ny fandaharan’asa ara-panahy ho avy. Raha hitanao fa mifanindry amin’ny fotoana mety tsy haha eo anao ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany na ny fivoriambe iray, dia manaova ezaka mafy mba handaminana indray ny fandaharam-potoananao mba handraisanao anjara amin’izany. Ampahafantarina antsika aloha be ny momba ireo fisehoan-javatra lehibe nalamina ho amin’ny hoavy. Afaka milaza aminao izay efa nanaovana fandaharana mialoha eo an-toerana ireo loholona ao amin’ny kôngregasiônanao.

4 Raha mitsinjo ny lavitra isika ka manao fandaharana mialoha ireo zavatra lehibe kokoa, dia ho “feno ny vokatry ny fahamarinana, (...) ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra”. — Fil. 1:11.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara