Inona no Afaka Manampy Antsika Hiorina Mafy ao Amin’ny Finoana?
1 Hatramin’ny nifaneraserantsika voalohany tamin’ny fandaminan’i Jehovah, dia nitondra fifaliana ho antsika foana ny fandrosoantsika ara-panahy! Kanefa, raha tiana ny ‘hamaka tsara sy hiorina mafy ary ho tafatoetra ao amin’ny finoana’, dia tena ilaina ny manohy mitombo ara-panahy. (Kol. 2:6, 7). Na dia mirobona ara-panahy aza ny ankamaroantsika, ny sasany kosa nindaosina niala, satria tsy ‘niorina mafy tao amin’ny finoana’. (1 Kor. 16:13, NW ). Afaka misakana izany tsy hitranga amintsika isika. Amin’ny fomba ahoana?
2 Tsy fiovaovana eo amin’ny fanaovana asa ara-panahy: Manorena fahazarana ara-panahy tsara, eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah. Ao no ikarakarana amin’ny fomba feno ireo zavatra ilaintsika ara-panahy. Ireo fivorian’ny kôngregasiôna sy ireo fivoriambe dia mandrisika antsika hitombo sy hiorina ara-panahy bebe kokoa, raha manatrika azy ireny tsy tapaka isika mba handraisan-tsoa avy aminy. (Heb. 10:24, 25). Ny fahazarana tsy tapaka mamaky ny Baiboly sy ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ary ireo boky mamelabelatra ny ventin-kanina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia hahatonga ny fakantsika ara-panahy hihalalina sy hihamafy. (Heb. 5:14). Ny famerana tanjona ara-panahy ho an’ny tenantsika sy ny fiezahana mafy hanatratra azy ireny koa dia hitondra soa maharitra. — Fil. 3:16.
3 Fanampiana avy amin’ireo matotra: Mihalalaha ka mifaneraserà amin’ireo matotra ara-panahy ao amin’ny kôngregasiôna. Mifankahalalà tsara amin’ireo loholona, satria izy ireo no voalohany afaka manatanjaka anao. (1 Tes. 2:11, 12). Raiso an-tanan-droa izay torohevitra na fanipazan-kevitra mety hatolony. (Efes. 4:11-16). Ireo mpanampy amin’ny fanompoana koa dia liana ny hanampy ny hafa hiorina mafy ao amin’ny finoana, koa mitadiava fampaherezana avy amin’ireo rahalahy ireo.
4 Mila fanampiana ve ianao eo amin’ny fanompoana? Miresaha amin’ireo loholona. Angamba ianao ho azo ampidirina ao amin’ilay fandaharana hoe Manampy ny Hafa Ireo Mpisava Lalana. Vao avy natao batisa ve ianao? Ny fianarana ny boky Ny Fanompoantsika sy ny fampiharana izay raketiny dia hanosika anao handroso ho amin’ny fahamatorana ara-panahy. Moa ve ianao ray na reny? Aza mitsahatra manatanjaka ny fahasalamana ara-panahin’ny zanakao. — Efes. 6:4.
5 Raha mamaka sy miorina tsara ao amin’ny finoana isika, dia hanana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah sy fifaneraserana mafana amin’ireo rahalahintsika. Izany dia hanampy antsika hahatohitra ireo fanafihan’i Satana, ary hanamafy ny fanantenantsika hoavy mandrakizay. — 1 Pet. 5:9, 10.