Aprily — Fotoana Tokony Hahabe Zotom-po ho An’ny Asa Tsara!
1 Rehefa manatona ny faritra iray be mponina ny rivo-doza iray, dia manjary ilaina maika ny mampitandrina ny olona amin’ilay loza mananontanona. Arakaraka ny anatonan’ilay rivo-doza, no tsy maintsy maha mafy kokoa ny fampitandremana. Nahoana? Satria ain’olona no tandindomin-doza! Mety ho tsy nandre ireo fampitandremana teo aloha ny olona sasany. Mety ho efa nandre ny hafa, nefa tsy niraharaha hanao zavatra. Marina koa izany raha ny amin’ny fampitandreman’Andriamanitra, izay nasaina nampanakoakointsika, alohan’ny hipaohan’ny ‘tafio-drivotry’ ny fahatezerany ara-drariny, an’ireo soritra tavela rehetra amin’ity tontolo ratsy ity. (Ohab. 10:25). Tandindomin-doza ny fiainana mandrakizain’ny olona an’arivo tapitrisany maro! Tsy maintsy ampanakoakoina ilay fampitandremana. Tsy maintsy “[be zotom-po ho an’ny, NW ] asa tsara” isika. — Tit. 2:11-14.
2 Efa hatramin’ny am-polony taona maro, ny vahoakan’i Jehovah dia voatosika hanao ny vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana ho fotoana hanehoana zotom-po manokana eo amin’ny fanompoana. Tamin’ny lohataonan’ny 1939 (ila bolantany avaratra), ny L’informateur, mpialoha lalana Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, dia nanome izao fampirisihana izao: “Noho ny fiantombohan’ny lohataona sy ny toetr’andro tsara, dia tokony hanampo ny hampitomboan’ny mpitorin’ny kongregasiona ho avo roa heny ny ora laniny eny amin’ny saha isika, ary koa ny hitomboan’ny oran’ireo mpisava lalana ho be dia be. Misy alahady dimy ny volana Aprily. Misy asabotsy dimy koa izy io. Ataovy fotoana fitoriana manokana ny asabotsy sy ny alahady rehetra, mandritra ny Aprily.” Izany dia tanjona nitaky ezaka be tamin’ireo rahalahy, 60 taona lasa izay! Amin’ity taona ity, tahaka ny tamin’ny 1939, dia misy faran’ny herinandro dimy feno ny volana Aprily. Inona no fikasanao amin’ity volana ity? Fanamarihana inona no nosoratanao teo amin’ny kalandrienao ho an’ny Aprily 2000? Manaova fandaharana mialoha mba handraisana anjara feno amin’ny asa tsara, miaraka amin’ny vahoakan’i Jehovah hafa, mandritra ity volana manokana hanafainganana ny asa ara-panahy ity.
3 Izay antenaintsika hotanterahina: Amin’ity volana ity ilay andro lehibe indrindra amin’ny taona 2000. Izany dia ny 19 Aprily, ny fitsingerenan’ny andro nahafatesan’i Jesosy. Aoka isika hanao ezaka manokana mba hanasa olona betsaka araka izay azo atao, ho any amin’ny Fahatsiarovana. Araka ny nanoroana hevitra tamin’ny volana lasa, dia ataovy lisitra ireo olona mety hanatrika ny Fahatsiarovana, ary hamarino sao misy hadino. Tokony ho anisan’ny olona asaina ireo rehetra tsy mitory intsony, ny mpianatra Baiboly, ny fiverenana mitsidika, ny olona nianatra taloha, ny mpiara-miasa, ny mpiara-mianatra, ny mpiray tanàna, ary ny olom-pantatra hafa. Manana fitaterana ve ireo izay maniry hanatrika? Tsara raha maka ireo olona liana any an-tranony ireo mpitory mba hitondra azy ireo any amin’ny Efitrano Fanjakana. Raha tsy izany, afaka manampy amim-pitiavana ve ianao? Amin’ny takarivan’ny Fahatsiarovana, isika rehetra dia hanana tombontsoa hanampy ny mpanatrika hahatsiaro ho raisina an-tanan-droa. Aorian’ny Fahatsiarovana, dia afaka manome fanampiana ara-panahy fanampiny ho an’ny olona liana toy izany isika.
4 Ny fananana “[zotom-po ho an’ny, NW ] asa tsara”, mandritra ireo andro mialoha sy manaraka ny Fahatsiarovana, dia fomba tsara dia tsara hampisehoantsika fa tena mankasitraka izay rehetra nataon’i Jehovah ho antsika isika. Ny fisian’ny toetr’andro tsara sy maina any amin’ny ankamaroan’ny toerana, dia hahatonga ny maro amintsika ho afaka hampitombo ny ezaka ataontsika eo amin’ny asa fitoriana. Raha mpisava lalana mpanampy ianao, dia haniry hanao araka izay fara herinao mba handaniana 50 ora na mihoatra eny amin’ny fanompoana. (Matio 5:37). Mifikira akaiky amin’ilay fandaharana nataonao teo am-piandohan’ny volana. (Mpit. 3:1; 1 Kor. 14:40). Enga anie ny hafa rehetra amintsika hanao izay azontsika atao mba hanohanana ny mpisava lalana rehetra, amin’ny fampaherezana azy sy amin’ny fiaraha-miasa aminy eny amin’ny fanompoana. (Ampitahao amin’ny 2 Mpanjaka 10:15, 16.) Raha mamafy amin-jotom-po isika mandritra ny Aprily, dia afaka manantena fifaliana sy fitahiana lehibe avy amin’i Jehovah. (Mal. 3:10). Angamba izany ho fomba iray hirosoana ho amin’ny fanompoan’ny mpisava lalana mpanampy mitohy, na maharitra. Enga anie ny tosika ara-panahy azontsika tamin’ny Aprily hitohy hatramin’ireo volana manaraka, eo am-panohizantsika mitory tsy tapaka ilay Fanjakana.
5 Tsy isalasalana fa an’arivony maro amin’ny vahoakan’i Jehovah no hanomboka fampianarana Baiboly fanampiny amin’ity volana ity. Ho tianao ve ny hanomboka iray? Manaova vavaka manokana mba hahazoana fampianarana, ary manaova zavatra mifanaraka amin’ny vavakao. Afaka matoky ianao fa hankasitrahan’i Jehovah ny fangatahanao amim-panetren-tena, ny hahazo fanampiana mba hahita olona tso-po hampianarina. — 1 Jaona 3:22.
6 Indro misy tari-dresaka hita ho nandaitra teny amin’ny saha, izay nampiasaina tamim-pahombiazana mba hanombohan-dresaka. Mametraka fanontaniana aloha ianao hoe: “Mihevitra ve ianao, tompoko, fa vokatry ny asan’ny demonia avokoa ny herisetra rehetra any amin’ny sekolim-bahoaka, sa avy amin’ny tsy fisian’ny fampiofanan’ny ray aman-dreny?” Avelao ilay olona hamaly. Raha milaza izy hoe: “Asan’ny demonia”, dia vakio ny Apokalypsy 12: 9, 12, ary asongadino fa ny Devoly no tena mampirisika ny fitondrana fisafotofotoana izaitsizy eo amin’izao tontolo izao. Avy eo dia sokafy ny bokikely Takina ho eo amin’ny lesona faha-4, ary anontanio ilay olona raha efa mba nanontany tena ny amin’ny niavian’ny Devoly ny tenany. Vakio ary diniho ny fehintsoratra roa voalohany. Raha mifidy ny hoe “tsy fisian’ny fampiofanan’ny ray aman-dreny” ho ny antony mahatonga herisetra any an-tsekoly, ilay olona, dia vakio ny 2 Timoty 3:1-3, ary asongadino ireo lafin-toetra izay miharihary fa mahatonga an’io zava-manahirana io. Avy eo dia sokafy ny bokikely Takina ho eo amin’ny lesona faha-8, vakio ny fehintsoratra faha-5, ary tohizo ilay resaka. Raha afaka maka fotoana hiverenana ianao, dia mety ho tena hanomboka fampianarana Baiboly tsy tapaka amin’ilay olona. Mandritra ny fitsidihana manaraka, dia anontanio izy raha mahafantatra olona hafa mety ho liana ny handre izay ianarany.
7 Ny fomba hafa iray hampisehoana “[zotom-po ho an’ny, NW ] asa tsara” mandritra ny Aprily, dia amin’ny fandraisana anjara amin’ny endriny maro samihafa amin’ny fitoriana. Efa mba nieritreritra ny hitory eny amin’ny zaridainam-panjakana na eny amin’ny parking ve ianao? Eny amin’ny fijanonan’ny aotobisy na ny taxi-brousse na eny amin’ny gara? Sa, ho tianao ve ny hanandrana hitory amin’ny alalan’ny telefaonina, amin’ny fanoratana taratasy amin’ny havana na ny namana, hitory eny amin’ny arabe na eny amin’ny toerana be toeram-piasana sy fivarotana? Nahoana raha ampiharina ireo hevitra ireo amin’ity volana ity? Hanampy anao hisikina ny fahasahiana ilaina i Jehovah. (Asa. 4:31; 1 Tes. 2:2b). Angamba ianao afaka maka fotoana mba hiaraha-miasa amin’ny mpisava lalana na ny mpitory iray, izay za-draharaha amin’ireo lafiny amin’ny fanompoana ireo.
8 Izay rehetra maniry hampitombo ny fandraisany anjara amin’ny asa fitoriana dia haniry handray anjara amin’ny fitoriana tsy ara-potoana. Matetika ny hany ilaina dia ny firesahana amim-pisakaizana amin’ilay olona. Milazà fotsiny foto-kevitra iray mahaliana ny besinimaro, angamba amin’ny fampiasana ilay tari-dresaka ao amin’ny fehintsoratra faha-6. Miezaha mafy hampiasa amin’ny fomba tsara na dia ampaham-potoana kely aza, izay ho lanilany foana, raha tsy izany. Tsy hanary vola ariary, na ariary dimy, na ariary folo isika, satria fotsiny hoe tsy 5 000 ariary feno izy ireo. Nahoana raha manararaotra mampiasa na dia dimy minitra, folo minitra, na fahefatr’adiny aza, mba hitoriana tsy ara-potoana? Ary avy eo dia aza hadinoina ny mamerina tatitra na dia adiny iray monja aza.
9 Fotoana hisaintsainana: Eritrereto indray ireo hevitra mafonja izay hita tao amin’ny fampisehoana tantara tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Ny Teny Ara-paminanian’Andriamanitra”, tamin’ny taon-dasa. Ilay fampisehoana tantara nitondra ny lohateny hoe Fankasitrahana ny Lovantsika Ara-panahy, dia nahatonga antsika hieritreritra tamim-pitandremana momba ny tsy fitoviana teo amin’i Jakoba sy i Esao. Nilaza i Esao fa, tahaka an’i Jakoba, dia liana tamin’ny zavatra ara-panahy ny tenany, nefa tsy nampiseho izany ny asany. (Gen. 25:29-34). Izany ka fampitandremana mahery ho antsika! Tahaka an’i Jakoba, dia aoka isika ho vonona hiady, na hitolona mihitsy aza, mba hahazoana ny fitahian’i Jehovah. (Gen. 32:25-30). Nahoana raha mampiasa ny Aprily sy ny volana manaraka rehetra mba hanavaozana ny zotom-pontsika, ka tsy hihevitra na oviana na oviana ny lovantsika ara-panahy mahatalanjona ho toy ny mandeha ho azy?
10 “Efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah; eny, efa antomotra sady mihafaingana indrindra”. (Zef. 1:14). Tsy maintsy ampanakoakoina ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana. Misy ain’olona tandindomin-doza! Enga anie ity volana ity hitondra fifaliana manokana ho an’ny vahoakan’i Jehovah rehetra, eo am-piarahantsika mampiseho fa “[be zotom-po ho an’ny, NW ] asa tsara” isika.
[Efajoro, pejy 4]
Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana
Amin’ny alarobia 19 Aprily ny fankalazana ny Fahatsiarovana amin’ity taona ity. Tokony hanisy fiheverana an’ireto raharaha manaraka ireto ny loholona:
◼ Rehefa manapaka ny amin’ny fotoanan’ilay fivoriana, dia ataovy azo antoka fa tsy hampandalovina raha tsy aorian’ny filentehan’ny masoandro ireo marika.
◼ Ny rehetra, anisan’izany ny mpandahateny, dia tokony hampahafantarina ny amin’ny ora sy ny toerana marina hanaovana ilay fankalazana.
◼ Tokony hokarakaraina sy hatao vonona ilay karaza-mofo sy divay hilaina. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 May 1985, pejy 17.
◼ Tokony hoentina mialoha any amin’ilay toeram-pivoriana, ary hapetraka eo amin’ny toerany avy, ireo lovia sy vera ary ny latabatra sy ny lamban-databatra mifanentana amin’ilay fotoana.
◼ Tokony hodiovina tanteraka mialoha ny Efitrano Fanjakana na izay toerana hafa hanaovana ilay fivoriana.
◼ Tokony hofantenana sy homena toromarika mialoha momba ny andraikiny avy sy ny fizotran-javatra araka ny tokony ho izy, ireo mpikarakara ny mpanatrika sy ny mpanolotra ireo marika.
◼ Rehefa fankalazana mihoatra ny iray no alamina hatao ao amin’ny Efitrano Fanjakana iray ihany, dia tokony hisy firindran-javatra tsara eo amin’ireo kongregasiona, mba tsy hitangoronan’ny olona tsy amin’ny antony eo am-baravarana, eo amin’ny lalantsara na ny fidirana, ny sisin-dalana na sisin’arabe ary ny parking.