FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/01 p. 8
  • Misakafo Tsara Ara-panahy ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Misakafo Tsara Ara-panahy ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
  • Mitovitovy Aminy
  • Misakafo Tsara ve Ianao eo Amin’ny Lafiny Ara-panahy?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
  • Ahoana no Hahaizako Mandanjalanja Amin’ny Resaka Sakafo?
    Manontany ny Tanora
  • Mandray Sakafo “Amin’ny Fotoana Mety” ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Aoka isika hianatra handalina ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2001
km 10/01 p. 8

Misakafo Tsara Ara-panahy ve Ianao?

1 ‘Izay voky no maharaka ny namany’, hoy ny fitenenana. Eny tokoa, ny sakafo hanintsika no mampahatanjaka sy mahasalama antsika. Misy vokany tsara na ratsy eo amintsika koa ny fahazarantsika misakafo ara-panahy, satria hoy i Jesosy: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.” (Matio 4:4) Misakafo tsara ara-panahy àry ve ianao, sa miavon-kanina? Mihinana maimaika ve ianao, sa manokana fotoana tsy tapaka mba hankafizana sakafo ara-panahy mahavelona sy voalanjalanja?

2 Diniho ny fahazaranao misakafo: Manome “hanina amin’ny fotoana” sy “zavatra matavy” ho antsika, amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy malina, i Jehovah. (Matio 24:45; Isaia 25:6) Tsy maintsy miezaka isika mba hisakafo tsara ara-panahy, raha te handray soa feno amin’ireny sakafo nomena tamim-pitiavana ireny.

3 Manontania tena hoe: ‘Mamaky isan’andro ny andinin-teny ho an’ny andro sy ny fanazavana azy ve aho? Mamaky sy misaintsaina ny Baiboly isan’andro ve aho? Manomana ireo fivoriana ve aho ka mianatra mialoha ny zavatra hodinihina? Efa namaky ireo boky nivoaka farany ve aho, anisan’izany ny boky voalohany amin’ny Faminanian’i Isaia—Fahazavana ho An’ny Olombelona Rehetra?’

4 Nampanantena i Jesosy hoe: “Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.” (Matio 5:6) Aoka àry ianao hisakafo tsara ara-panahy, izany hoe fenoy fahalalana an’Andriamanitra ny sainao sy ny fonao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara