FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/02 p. 8
  • Nahoana Isika no Mitory Hatrany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahoana Isika no Mitory Hatrany?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Aoka isika hanohy hitory ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • “Lazao Amin’izy Ireo Izao Teny Izao”
    Mahasoa Anao Ireo Boky Nosoratan’i Jeremia Mpaminany
  • Nahoana Isika no Miverimberina?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • ‘Mandehana, Ataovy Mpianatra ny Olona any Amin’ny Firenena Rehetra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 2/02 p. 8

Nahoana Isika no Mitory Hatrany?

1 Efa hatramin’ny ela ve no nisy nitory ilay Fanjakana teo amin’ny faritra misy anao? (Matio 24:14) Angamba mieritreritra ianao, raha izany, fa voasa tsara ny faritanin’ny fiangonana. Mety tsy hiraharaha ny hafatra momba ilay Fanjakana izao ny ankamaroan’ny olona itorianao. Nahoana àry isika no mbola mitory hatrany?

2 Tsarovy i Jeremia: Tsy rehefa mihaino antsika ihany akory ny olona vao tokony haharitra amin’ny fanompoana isika. Nitory nandritra ny 40 taona teo amin’ny faritany iray ihany i Jeremia, na dia vitsy aza no nihaino azy, ary maro no nanohitra ny hafatra nentiny. Nahoana i Jeremia no naharitra? Satria asa nandidian’Andriamanitra no nataony. Fantany koa izay hitranga, ka izany no nanosika azy hitory hatrany tamim-pahasahiana.—Jer. 1:17; 20:⁠9.

3 Toy izany koa ny toe-javatra misy antsika. ‘Jesosy nandidy antsika hitory amin’ny olona ka hanambara fa Izy no voatendrin’Andriamanitra ho Mpitsara ny velona sy ny maty.’ (Asa. 10:42) Iankinan’ny ain’ireo mandre azy ny hafatra entintsika. Hotsaraina araka ny fihetsiny eo anoloan’ny vaovao tsara ny olona. Andraikitsika àry ny manao tsara izay nandidiana antsika. Mety tsy hihaino angamba ny olona. Rehefa manao izay nandidiana antsika anefa isika, dia mampiseho fa tena tiantsika ny olona ary mifikitra amin’i Jehovah isika. Mbola misy antony hafa anefa.

4 Mandray soa isika: Manome antsika fiadanana anaty sy fahafaham-po ary fahasambarana, izay tsy ho azo amin’ny fomba hafa mihitsy, ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, na manao ahoana na manao ahoana ny fihetsiky ny olona eny amin’⁠ny faritany. (Sal. 40:⁠8) Misy dikany sy zava-kendrena ny fiainantsika. Hifantoka kokoa amin’ny fanantenana sy ny fifaliana hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ny fontsika sy ny saintsika, rehefa manao fanompoana bebe kokoa isika. Ho salama kokoa ara-panahy isika ary hifandray kokoa amin’i Jehovah, rehefa miresaka foana momba ireny fampanantenana ao amin’ny Soratra Masina ireny.

5 Mety tsy hahita vokatra avy hatrany isika rehefa mitory. Mety ho efa namafy voa tao am-pon’ny olona anefa isika ka hitsimoka amin’ny fotoana mety amin’i Jehovah izy io. (Jaona 6:44; 1 Kor. 3:⁠6) Tsy fantatsika hoe firy no mbola hahafantatra ny momba ilay Fanjakana, ho vokatry ny ezaky ny vahoakan’i Jehovah eto an-toerana na maneran-tany.

6 Vao mainka tokony hanaraka ity toromarik’i Jesosy ity isika ankehitriny: “Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian’ny fotoana. Ary izay lazaiko aminareo dia lazaiko amin’ny olona rehetra koa: Miambena.” (Marka 13:33, 37) Aoka àry isika rehetra hanambara hatrany ny vaovao tsara momba ilay Fanjakana, ka hampifaly ny fon’i Jehovah eo am-pandraisantsika anjara amin’ny fanamasinana ny anarany lehibe sady masina.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara