Mamonjy Aina ny Fitoriana Ilay Fanjakana!
1 Izy io no asa lehibe indrindra atao maneran-tany ankehitriny, ary ifantohan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ny anjely maro be. Fa inona io asa io, ary nahoana no zava-dehibe izy io? Ny fitoriana ilay Fanjakana izy io, ary mamonjy aina!—Rom. 1:16; 10:13, 14.
2 Mety hisy hihevitra fa ny fanatsarana ny fiaraha-monina no fomba tsara kokoa azontsika anampiana ny olon-kafa. Maro ireo variana manao izay hisian’ny filaminana sy hanasitranana aretina ary hanatsarana ny toe-karena. Inona anefa no tena hanampy ny olona?
3 Asa tena miavaka: Ny hafatra momba ilay Fanjakana ihany no manazava ny zava-kendren’ny fiainana sy ny antony mahatonga ny olona hijaly ary ny hany fanantenana azo antoka amin’ny hoavy. Afaka ny ho tonga sakaizan’i Jehovah ny olona noho ny vaovao tsara, ka hahazo “ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra.” (Fil. 4:7) Ny hafatra momba ilay Fanjakana ihany amin’izao andro izao no manome tari-dalana mahasoa mba hanampiana ny olona hiatrika ny olana eo amin’ny fiainana. Hazavain’izy io koa izay tokony hatao mba hahatafita velona rehefa horavana ity tontolo ratsy ity. (1 Jaona 2:17) Tsy tokony hiezaka mafy ve isika, araka izany, hanao izay azontsika atao mba hitoriana ilay Fanjakana?
4 Indro misy ohatra: Efa ho vaky ny fefiloha eo akaikin’ny tanàna iray, nefa matory daholo ny olona ao. Inona no fomba tsara indrindra hanampiana azy ireo? Ny fanesorana tsikelikely ny rano avy ao amin’ilay fefiloha efa ho vaky ve? Sa ny fanatsarana ilay tanàna tandindomin-doza? Tsia! Tokony hofohazina ireo olona ireo, hampitandremana momba ilay loza mananontanona, ary hampiana mba handositra! Tena tandindomin-doza ireo matory ara-panahy ankehitriny. (Lioka 21:34-36) Tsy ho ela dia ho rava ity tontolo ity, koa aoka isika hiezaka haingana hanao izay farany azontsika atao hitoriana amin’izay rehetra hitantsika!—2 Tim. 4:2; 2 Pet. 3:11, 12.
5 Ataovy foana io asa io: Aoka isika hitady fomba hitoriana ny vaovao tsara amin’ny olona tso-po betsaka kokoa hatrany, na any an-tranony izany, na eny an-dalana na rehefa mitory tsy ara-potoana. Ny asa nomen’i Jehovah antsika no asa lehibe indrindra azontsika atao. ‘Hamonjy ny tenantsika sy izay mihaino antsika’ isika, raha mazoto manao azy io.—1 Tim. 4:16.