FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/02 p. 1
  • Te Hanampy ny Hafa ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Te Hanampy ny Hafa ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Afaka Manampy ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Vonona Hanampy ny Hafa Hoatran’i Jesosy ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Miderà An’Andriamanitra, ry Fianakaviana Anisan’ny Kôngregasiônany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Ry Ray Aman-dreny, Omeo Izay Ilainy ny Fianakavianareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 6/02 p. 1

Te Hanampy ny Hafa ve Ianao?

1 Tena niahy ny olona i Jesosy. Rehefa nisy boka iray nangataka fanampiana taminy, dia naninjitra ny tanany izy, nanendry ilay boka ka nanao hoe: “Mety Aho; madiova hianao.” (Marka 1:40-42) Ahoana no hanahafantsika ny toe-tsain’i Jesosy rehefa manampy ny hafa?

2 Olona liana: Samy mandray anjara amin’ny fanampiana ireo olona liana ho tonga mpanompon’i Jehovah ny tsirairay eo anivon’ny fiangonana. Arahabao izay olona sambany vao mivory, ary miezaha hifankahalala aminy. Mitadiava fomba hampaherezana azy ireo. Derao izy noho ny valin-teny omeny sy ny fiezahany hampihatra ireo toro lalan’ny Baiboly. Ampahafantaro azy fa afaka manana tena namana izy eo anivon’ny fiangonana.

3 Mpiray finoana: “Ny mpianakavin’ny finoana” indrindra no tokony hampiantsika amin’ny fomba isan-karazany. (Gal. 6:10) Betsaka, ohatra, ireo miady mafy amin’ny aretina. Hitondra soa ho azy ireny ianao raha mamangy sady mampahery azy, satria mba mila namana koa izy. Afaka manao zavatra hanampiana azy koa ianao amin’izay. Misy koa manan-java-manahirana hafa. Anehoy fiahiana izy ireo amin’ny fakana fotoana hihainoana sy hampaherezana azy. (1 Tes. 5:14) Mila ny fiaraha-miasantsika koa ireo anti-panahy eo am-panatanterahana ireo andraikiny. (Heb. 13:17) Hitondra “fampiononana” ho an’ireo mpiara-manompo amintsika isika rehefa manana toe-tsaina vonon-kanampy.—Kol. 4:11.

4 Ny mpianakavy: Tokony hiezaka ho be fiahiana toa an’i Jesosy koa isika eo anivon’ny fianakaviantsika. Rehefa miahy lalina ny zanany ny ray aman-dreny, dia voatosika ‘hitaiza azy ireo amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo.’ (Efes. 6:4) Afaka manao ny anjarany ny ankizy ka hiomana haingana mba ho vonona rehefa tonga ny fotoanan’ny fianaram-pianakaviana, ny fivorian’ny fiangonana na ny fanompoana eny amin’ny saha. Afaka maneho fangoraham-po toa an’i Jesosy ireo efa lehibe kokoa, ka hanampy amim-pitiavana ny ray aman-dreniny hiezaka handresy ireo zava-tsarotra vokatry ny fandrosoan’ny taona. ‘Haneho toe-panahy araka an’Andriamanitra amin’ny ao an-tranontsika’ isika rehetra amin’ireo fomba ireo sy ny hafa koa.—1 Tim. 5:4.

5 Rehefa manahaka an’i Jesosy isika ka manampy ny hafa, dia mety hanamaivana ny zava-manahirana ary mety hampifandray akaiky kokoa ny mpianakavintsika ary koa ny fiangonana. Ny tena zava-dehibe indrindra dia manome voninahitra an’i Jehovah, “Rain’ny famindrampo”, isika.—2 Kor. 1:3.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara