FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/02 p. 4
  • Mahaiza Mianina Amin’izay Anananao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mahaiza Mianina Amin’izay Anananao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
  • Mitovitovy Aminy
  • Harena Natao ho Anao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Aza Variana Manangona Fananana, fa Katsaho Ilay Fanjakana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Afaka manome fahafahampo amin’izay ilaintsika ve ny fivavahana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Fomba Fijery Voalanjalanja Momba ny Vola
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2002
km 6/02 p. 4

Mahaiza Mianina Amin’izay Anananao

1 Mampirisika antsika ny Soratra Masina mba hamelona ny ankohonantsika, nefa tsy tokony ho izany no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainantsika. Tsy maintsy ny zavatra ara-panahy no loha laharana. (Matio 6:33; 1 Tim. 5:8) Sarotra ny mampifanaraka an’ireo zavatra ireo amin’izao “andro mahory” izao. (2 Tim. 3:1) Inona no hanampy antsika hanao izany?

2 Araho izay lazain’ny Baiboly: Mampitandrina antsika ny Tenin’Andriamanitra fa mety hanimba antsika ara-panahy ny fitiavan-karena. (Mpit. 5:10; Matio 13:22; 1 Tim. 6:9, 10) Mety hahita loza isika amin’izao andro tena lehibe izao, raha variana loatra amin’ny asa na ny fahasahiranana ara-bola. Hanjary tsy ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika intsony mantsy ny asa ara-panahy, dia ny fivoriana sy fianarana ary fanompoana. (Lioka 21:34-36) Manoro hevitra antsika kosa ny Baiboly hoe: “Raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.”—1 Tim. 6:7, 8.

3 Tsy midika akory izany hoe tsy maintsy miaina ao anatin’ny fahantrana ny Kristianina. Manampy antsika kosa io torohevitra io hahafantatra izay tena ilaintsika, dia sakafo sy fitafiana ary fonenana, arakaraka ny faritra misy antsika. Tsy tokony mbola hitady zavatra betsaka kokoa sy tsara kokoa isika raha efa manana izay ilaina eo amin’ny fiainana. Raha te hividy zavatra na hanao asa fanampiny isika, dia mila manontany tena aloha hoe: ‘Tena ilaina ve ilay izy?’ Hanampy antsika hanaraka ity torohevitra ara-tsindrimandry ity izany: “Aoka tsy ho amin’ny fitiavam-bola ny toe-tsainareo, fa mianìna amin’izay anananareo.”—Heb. 13:5.

4 Hanampy antsika i Jehovah raha mitoky aminy isika. (Ohab. 3:5, 6) Marina fa mila miasa mafy isika mba hahazoana izay ilaina isan’andro, nefa tsy tokony handany fotoana be loatra amin’izany. Miantehitra amin’i Jehovah isika mba hanome izay ilaintsika, na manam-be isika na sahirana. (Fil. 4:11-13) Tena ho afa-po sy hahazo fitahiana maro be isika amin’izany.

5 Tahafo ny finoan’ny olon-kafa: Nanatsotra ny fiainany tsikelikely ny anabavy iray nitaiza irery ny zanany vavy tao amin’ny lalan’ny fahamarinana. Nanana trano nampiadana izy, nefa nifindra tamin’ny trano kelikely sy tsotra kokoa. Nanjary nihena ny asany, noho izany, ka afaka nanompo bebe kokoa izy. Nangataka ny hisotro ronono izy rehefa nanambady ilay zanany, na dia vao mainka nampihena ny karamany aza izany. Efa fito taona izao io anabavintsika io no mpisava lalana maharitra. Tsy manenina mihitsy izy noho ny sorona nataony mba hanaovana ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho loha laharana eo amin’ny fiainany.

6 Mpisava lalana nandritra ny taona maro ny anti-panahy iray sy ny vadiny, nefa manan-janaka telo. Nianatra nianina tamin’izay tena nilainy izy mianakavy fa tsy nitady izay tiany. Hoy ilay rahalahy: “Niezaka hanana fiainana tsotra kokoa izahay. Nandalo fotoan-tsarotra izahay indraindray, nefa nanome izay nilainay foana i Jehovah. . . . Tsapako fa mety tsara ny zava-drehetra ary vitako izay tokony ho nataoko, rehefa mahita aho fa ny zavatra ara-panahy no ataon’ny ankohonako loha laharana.” Hoy koa ny vadiny: “Tena afa-po aho rehefa mahita [ny vadiko] be atao eo amin’ny ara-panahy.” Faly koa ny zanak’izy ireo satria nifidy ny hanompo an’i Jehovah manontolo andro ny ray aman-dreniny.

7 Mampanantena ny Baiboly fa hahazo fitahiana tondraka dieny izao sy amin’ny hoavy izay mifidy ny hifikitra amin’Andriamanitra toy izany, fa tsy mitady harena.—1 Tim. 4:8.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara