Mandraisa Soa Feno avy Amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto”
1 Fandaharana nampahery: Nampahery tokoa ilay fandaharana tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra farany natrehintsika! Antony iray no nahatafavory antsika rehetra tany, dia ny mba hahatonga antsika ho ampy fahaizana kokoa, ka hazoto hitory ny Fanjakan’Andriamanitra. Tadidinao ve ny fomba namaritan’ilay mpandahateny voalohany ny teny hoe “mitory”? Tsaroanao ve hoe inona no fikarohana nasaina nataontsika tamin’ilay lahateny hoe “Aza Matahotra fa Momba Antsika i Jehovah”? Tantaram-piainan’iza avy no efa nodinihinao hatramin’izay?
2 Nanazava antony telo mahatonga an’i Jehovah hamela ny fanenjehana ilay fitohitohizan-dahateny hoe “Mitsapa ny Hatsaran’ny Finoantsika ny Fisedrana Samihafa.” Azonao hazavaina ve hoe inona avy izy ireo? Inona no fototra araka ny Soratra Masina mahatonga antsika Kristianina tsy ho naman’izao tontolo izao? Inona no nasaina nataontsika mba hiomanantsika amin’izay zava-tsarotra mety hitranga, noho isika tsy momba ny atsy na ny aroa? Nahoana no manome voninahitra an’i Jehovah ny tsy fivadihantsika mandritra ny fisedrana?
3 Inona no tena nampahery anao tamin’ilay fampisehoana tantara hoe “Miorena Mafy ao Anatin’ny Fotoan-tsarotra”? Ahoana no azontsika anahafana an’i Jeremia?
4 Tao amin’ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Eo Am-piovana ny Sehatr’ity Tontolo Ity”, dia nohazavaina ireo fiovana lehibe hitranga amin’ny hoavy, ka hitarika ho amin’ilay andro mahatsiravin’Andriamanitra. Inona avy ireo fiovana ireo? Rehefa nihaino ilay lahateny famaranana hoe “Manaova Asa Tsara Be dia Be, ry Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto” ianao, ahoana no nampifandraisanao izany tamin’ny fanompoanao manokana?
5 Hevi-dehibe tokony hampiharina: Araka ny nohazavaina tao amin’ilay lahateny hoe “Mahaiza Mankasitraka”, ahoana no azontsika anehoana fa tena mankasitraka an’i Jehovah amin’ny fontsika rehetra isika? Tao amin’ilay lahateny fototra hoe “Miredareda ny Zotom-pon’ireo Mpitory Ilay Fanjakana”, ny zotom-pon’iza moa no nasaina notahafintsika? Inona no fandinihan-tena nasaina nataontsika?
6 Inona avy ireo zavatra telo takina mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah, araka ilay fitohitohizan-dahateny hoe “Manatanjaka Antsika Handeha Amin’ny Anaran’i Jehovah ny Faminanian’i Mika”? Ho vitantsika ve izany? (Mika 6:8) Inona avy no tsy maintsy halavirintsika mba hananantsika fitondran-tena madio, araka ilay lahateny hoe “Arovy ny Fonao mba Hadio Fitondran-tena Hatrany Ianao”? Tao amin’ilay lahateny hoe “Mitandrema Amin’ny Famitahana”, inona avy ireo lafin-javatra nampitandremana antsika, mba tsy ho voafitaka isika, sady tsy hamitaka ny hafa?
7 Inona avy no hevitra efa nampiharinao teny amin’ny fanompoana, tamin’ilay fitohitohizan-dahateny hoe “Mankalaza ny Fanompoany Ireo Mpitory Ilay Fanjakana”? Nandinika ny Filipiana 4:8 isika tao amin’ilay lahateny hoe “Mampandroso ny Miresaka Zavatra Ara-panahy.” Ahoana no anampian’io andinin-teny io antsika hanao resaka ara-panahy, ary amin’ny fotoana inona avy isika no tokony hanao izany?
8 Ilay lahateny hoe “Matokia Tanteraka An’i Jehovah Amin’ny Andro Fahoriana” dia nanazava tamintsika ny fomba iatrehana loza, fahasahiranana ara-bola, aretina, olana ao an-tokantrano, ary ny fahalemena tsy mety resy. Ahoana no hanehoantsika fa mitoky amin’i Jehovah isika rehefa miatrika ireo toe-javatra ireo?
9 Harena ara-panahy vaovao: Faly isika nahazo an’ilay boky vaovao hoe Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Nanao ahoana ny fihetsikao rehefa nolazaina ny antony namoahana azy io? Nahoana io boky fianarana io no tena hanampy antsika hanao mpianatra?
10 Navoaka koa avy eo ilay boky tsara tarehy hoe Manatòna An’i Jehovah, sy ilay bokikely hoe Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay? Ahoana no hampiasana io bokikely io eny amin’ny fitoriana? Inona no sary tena tianao ao?
11 Nahazo fampaherezana ara-panahy mba hiatrehana izao fotoan-tsarotra izao isika, tamin’ilay Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Mpitory Ilay Fanjakana Mazoto.” Enga anie àry isika hiezaka mafy hitadidy izay voalaza tany, sy hankasitraka ireo zavatra nomena antsika, ary hampihatra izay nianarantsika, mba handraisantsika soa feno avy amin’io fandaharana ara-panahy niavaka io. (2 Pet. 3:14) Raha manao izany isika, dia hahazo tanjaka mba hahatoky hatrany, ka hazoto hitory ilay Fanjakana toa an’i Jesosy Kristy Tompontsika, ho voninahitr’i Jehovah.—Fil. 1:9-11.