Fandaharana Vaovao ho An’ny Fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana
Mbola mandray soa hatramin’izao ny fiangonana maneran-tany, amin’ny fampiasana ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana. Fitahirizam-bokin’ny Sekolin’ny Fanompoana no niantsoana azy io taloha. Noheverina fa tena nilaina ny hananan’ny fiangonana tsirairay ny fitahirizam-bokiny. Betsaka anefa amin’izao fotoana izao ny Efitrano Fanjakana ampiasain’ny fiangonana maromaro. Noho izany, dia fitahirizam-boky iray, misy ny zavatra rehetra ilaina sy araka ny toetrandro, no tsara indrindra. Raha misy Efitrano Fanjakana manana efitra fivoriana mihoatra ny iray, dia tokony samy hisy fitahirizam-boky ny efitra fivoriana tsirairay.
Antenaina fa hahafahana hitsitsy toerana sy vola io fandaharana io. Fanampin’izany, dia ho tsara kokoa ilay fitahirizam-boky raha atambatra ny an’ny fiangonana roa na mihoatra. Ho azo tehirizina koa ny boky ambiny amin’izay, ka hampiasaina rehefa hisy Efitrano Fanjakana vaovao haorina any aoriana.
Hisy rahalahy iray hiandraikitra ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana tsirairay. Tsara kokoa raha mpiandraikitra ny Sekolin’ny Fanompoana no manao izany. Tokony hanangona tsikelikely ireo boky sy gazety izy, ka hanamarika mazava tsara eo amin’ny fonony anatiny, fa an’ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana ilay izy. Tokony hojereny indray mandeha isan-taona, fara fahakeliny, raha ao daholo ireo boky ary mbola tsara daholo. Tsy tokony hoentina mivoaka ny Efitrano Fanjakana ireo boky sy gazetin’ny fitahirizam-boky.
Mbola mankasitraka hatrany ny fitahirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana ny rehetra eo anivon’ny fiangonana. Enga anie hasehontsika tsirairay avy fa tena sarobidy amintsika izy io, ka hokarakaraintsika sy hampiasaintsika, mba hahitana “ny fahalalana an’Andriamanitra.”—Ohab. 2:5.