Afaka Hampitombo ny Asanao ve Ianao, Rehefa Hisotro Ronono?
1 Tsy andrin’ny maro mihitsy ny fotoana fisotroan-dronono, mba hialana amin’ny fisasarana sy ny faneren’ny asa. Rehefa misotro ronono tokoa anefa izy ireo, dia manjary tsy misy na inona na inona mahaliana azy, lasa sorisorena izy ireo, ary mihantitra alohan’ny fotoana. Mety hifantoka amin’ny zava-manahirana ny tenany ny olona rehefa tsy manan-java-kendrena. Miresaka momba ny olana mahazo ny mpiasam-panjakana misotro ronono ny gazety brezilianina iray. Voalaza ao fa ‘tsy afa-po izy ireo, kizitina, tsy milamin-tsaina, mahatsiaro tena ho tsy ilaina, ary ketraka.’
2 Maro kosa ny Kristianina no mihevitra fa afaka hanao asa ara-panahy bebe kokoa izy, rehefa tonga io fiovana eo amin’ny fiainany io. Hoy ny rahalahy iray izay nanomboka ny asan’ny mpisava lalana, tapa-bolana taorian’ny nahatratrarany ny faha-65 taonany: “Ireo folo taona lasa nanaovako ny asan’ny mpisava lalana no fotoana nahazoako fitahiana be indrindra hatramin’izay.” Nisy mpivady nanoratra hoe: “Nanomboka ireo taona tsara indrindra ho anay izahay, rehefa lasa mpisava lalana.” Maro tokoa no mino fa ny fisotroan-dronono dia fotoana faran’izay tsara hampitomboana ny fanompoana, ka ahazoana fitahiana tondraka avy amin’i Jehovah.
3 Aoka ianao ho be atao sy hamokatra hatrany: Betsaka amin’ireo misotro ronono no nianatra niasa mafy hatramin’izy ireo mbola kely. Mbola mpiasa mamokatra be ihany anefa izy ireo, na dia tsy manana ny tanjaky ny fahatanorana intsony aza. Any amin’ny faritany iandraiketan’ny sampana iray, dia 60 taona, fara fahakeliny, ny 22 isan-jaton’ny mpisava lalana, izany hoe 20 000 eo ho eo. Mandray anjara lehibe amin’ny asa fitoriana ireny zokiolona ireny. Mahasoa ny fiangonana misy azy ireo ny zavatra hainy sy ny toetra tsarany.—Jak. 3:17, 18.
4 Ny olona be atao hatrany eo amin’ny fanompoana kristianina, dia manana fahasalamana sy fiainana tsara kokoa. Nirotsaka ho mpisava lalana ny anabavy iray 84 taona, rehefa nisotro ronono. Hoy izy: ‘Nanampy ahy hanana saina mavitrika hatrany ny fampianarana Baiboly amin’ny olona maro. Mandeha an-tongotra foana aho, satria tsy manana fiara. Noho izany, dia salama tsara hatrany aho.’ Nisy mpivady mpisava lalana zokiolona nilaza hoe: “Mahatonga anay ho salama ara-tsaina sy ara-batana hatrany ny fanompoana. Miaraka foana izahay, ary mihomehy matetika sy mankafy ny fiainana.”
5 Manompoa any amin’izay ilana fanampiana: Nisy Kristianina misotro ronono nifindra tany amin’ny faritra mila mpitory bebe kokoa. Namela azy hanao izany ny vola teo am-pelatanany. Toy ny apostoly Paoly, dia ‘manao izany rehetra izany noho ny filazantsara’ ireny Kristianina ireny ‘mba ho tonga mpiombona amin’ny olon-kafa.’—1 Kor. 9:23.
6 Nisy mpivady nanomboka ny asan’ny mpisava lalana, rehefa nahalehibe ny zanany mirahalahy. Nianatra teny sinoa izy ireo, taona maromaro taorian’izay. Efa 70 taona mahery izy ireo izao ary faly satria tsy ela izay, dia lasa fiangonana ilay antoko-mpitory miteny sinoa niarahan’izy ireo. Tena sarobidy mihitsy ny mpivady toy izany!
7 Tsy misy fisotroan-dronono eo amin’ny fanompoana: Misotro ronono ny ankamaroan’ny olona eo amin’ny asa fivelomana, fa ny Kristianina kosa tsy misotro ronono raha eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Tsy maintsy mahatoky “hatramin’ny farany” ny rehetra. (Matio 24:13, 14) Mazava ho azy fa tsy afaka manao betsaka eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah toy ny taloha intsony ny sasany, noho ny fandrosoan’ny taona. Tena mampahery anefa ny mahita azy ireo manao izay azony atao amin’ny fony manontolo! Manome toky azy ireo ny Tenin’Andriamanitra fa i Jehovah dia tsy hanadino ny asan’izy ireo sy ny fitiavana asehony ho voninahitry ny anarany.—Lioka 21:1-4; Heb. 6:10.
8 Raha efa akaiky ny taona hisotroanao ronono, nahoana raha mivavaka sady mandinika izay azonao atao hanararaotana amin’ny fomba feno an’io fiovana eo amin’ny fiainanao io? Noho ny fanampian’Andriamanitra, dia mety ho afaka hampitombo ny asanao ianao, ka hidera an’i Jehovah sy hahazo fitahiana maro be.—Sal. 148:12, 13.