FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 6/03 p. 8
  • Ampahafantaro ny Anaran’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampahafantaro ny Anaran’Andriamanitra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
  • Nanamasina ny Anarany i Jehovah
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Omeo Voninahitra ny Anaran’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Anaran’​Andriamanitra
    Mifohaza!—2017
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
km 6/03 p. 8

Ampahafantaro ny Anaran’Andriamanitra

1 Nanao ahoana ny fihetseham-ponao tamin’ny ianao nahafantatra voalohany ny anaran’Andriamanitra? Maro no mitovy fihetseham-po amin’ny vehivavy iray, izay niteny hoe: “Nitomany aho rehefa nahita voalohany ny anaran’Andriamanitra tao amin’ny Baiboly. Tena nihetsi-po aho rehefa nahalala fa tena azoko atao ny mahafantatra ny anaran’Andriamanitra sy mampiasa azy io.” Dingana lehibe ho an’io vehivavy io ny fahafantarana ny anaran’i Jehovah, mba hahalalany azy sy hifandraisany aminy.

2 Nahoana izy io no ampahafantarina? Tafiditra amin’ny hoe mahafantatra ny anaran’Andriamanitra ny fahalalana ny toetrany, sy ny fikasany, ary ny asany. Tsy maintsy mahafantatra ny anaran’Andriamanitra koa isika raha te ho voavonjy. Hoy ny Asan’ny Apostoly 2:21: “Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena.” Kanefa “hataony ahoana no fiantso” an’i Jehovah, raha tsy mianatra momba azy aloha izy ireo, ary mino azy? Tena ilain’ny Kristianina àry ny mampahafantatra amin’ny olona ny anaran’Andriamanitra sy ny dikan’izy io. (Rom. 10:14) Mbola misy antony lehibe kokoa anefa tsy maintsy ampahafantarana ny anaran’Andriamanitra.

3 Nianaran’ny vahoakan’Andriamanitra tao amin’ny Soratra Masina, tamin’ireo taona 1920, ilay raharaha iadian-kevitra eo amin’izao rehetra izao. Momba ny fanamarinana ny zon’Andriamanitra hanjaka sy ny fanamasinana ny anarany izy io. Tsy maintsy “fantatra any amin’ny tany rehetra” ny marina momba an’i Jehovah, alohan’ny handringanany ny ratsy fanahy, sy hanadiovany ny anarany. (Isaia 12:4, 5; Ezek. 38:23) Ny antony lehibe indrindra itoriantsika àry dia ny hidera an’i Jehovah amin’ny olona rehetra sy hanamasina ny anarany. (Heb. 13:15) Hanosika antsika handray anjara feno amin’io asa nanendren’Andriamanitra antsika io ny fitiavantsika azy sy ny mpiara-belona amintsika.

4 ‘Olona hankalazana ny anarany’: Nandray ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah isika tamin’ny 1931. (Isaia 43:10) Nampahafantatra ny anaran’Andriamanitra ny vahoakany, nanomboka tamin’izay. Matetika no namonjy ny aintsika ny fahafantaran’ny olona fa vahoaka mitondra ny anaran’Andriamanitra isika. Jereo, ohatra, ilay fitantarana ao amin’ny Diary 2001, pejy 91, fehintsoratra 2, 3. Tokony hanosika antsika ‘hankalaza ny anarany’ ny fankasitrahantsika ny hatsaram-panahin’i Jehovah. Hiresaka momba azy isika isaky ny afaka manao izany.​—Sal. 20:7; 145:1, 2, 7.

5 Tsy maintsy mankatò ny fitsipik’i Jehovah foana isika, satria olona nofidiny mba “hankalazana ny anarany.” (Asa. 15:14; 2 Tim. 2:19) Ny fitondran-tena tsaran’ny Vavolombelon’i Jehovah matetika no voamariky ny olona voalohany amin’izy ireo. (1 Pet. 2:12) Tsy tiantsika ny hanala baraka ny anaran’Andriamanitra, ka tsy manao tsinontsinona ny toro lalany mihitsy isika, sady tsy ataontsika ambanin-javatra ny fivavahana aminy. (Lev. 22:31, 32; Mal. 1:6-8, 12-14) Aoka kosa ho hita eo amin’ny fiainantsika fa sarobidy amintsika ilay tombontsoa mitondra ny anaran’Andriamanitra.

6 Hitantsika fa tanteraka ity tenin’i Jehovah ity: “Hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany dia lehibe ny anarako any amin’ny jentilisa.” (Mal. 1:11) Aoka isika hampahafantatra hatrany ny marina momba an’i Jehovah sy “hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.”​—Sal. 145:21.

[Fanontaniana]

1. Inona no mety ho vokatry ny fahafantarana ny anaran’Andriamanitra eo amin’ny olona?

2. Nahoana no tena ilaintsika ny mampianatra ny olona momba an’i Jehovah?

3. Inona no antony lehibe indrindra itoriantsika?

4. Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no ampifandraisina amin’ny anaran’Andriamanitra?

5. Inona no mety ho vokatry ny fitondran-tenantsika eo amin’ny anaran’Andriamanitra?

6. Inona no tombontsoa ananantsika dieny izao sy mandrakizay?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara