Fianarana ny Boky Mivavaha
Natao hanampiana an’ireo nahavita ny bokikely Takina sy Lalan’ny Fiainana, ny boky Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina. Hianatra azy io anefa isika any amin’ny Fianarana Boky. Hanampy antsika hampiasa tsara io boky io eny amin’ny fanompoana izany, ary hampitombo ny fitiavantsika sy ny fankasitrahantsika an’i Jehovah sy ny fandaminany. Ahoana no handraisantsika soa faran’izay betsaka rehefa mianatra ny boky Mivavaha?
Fitarihana ilay fianarana: Toko iray manontolo no hodinihina isaky ny mianatra. Tokony ho hain’ilay mpiandraikitra fianarana boky tsara àry ny mitsinjara ny fotoana. Tsy tokony handany fotoana be loatra eo amin’ireo fehintsoratra fampidirana izy, mba hananany fotoana ampy handinihana ireo hevi-dehibe kokoa any amin’ny faramparan’ilay toko. Hanampy ny mpanatrika hitadidy ireo hevitra fototra ny fandinihana fohy ilay famerenana eo amin’ny faran’ny fianarana tsirairay.
Misy fanontaniana hosaintsainina sy hiaraha-midinika ao amin’ireo toko sasantsasany. Misy ohatra iray amin’izany, eo amin’ny pejy 48 sy 49. Tsy voatery hovakina miaraka amin’ny fehintsoratra ireny fanontaniana ireny. Tokony hovakina sy hiaraha-midinika ireo andinin-teny voatonona, rehefa mandinika ireny fanontaniana ireny miaraka amin’ny mpanatrika ilay mpiandraikitra.
Manomàna tsara: Tsy vitan’ny fanipihana valiny fotsiny ny atao hoe fanomanana tsara. Ilaina koa ny misaintsaina lalina ireo andinin-teny voatonona mba hanomanana tsara ny valin-tenintsika ary indrindra indrindra ny fontsika. (Ezra 7:10) Afaka mifampahery isika rehetra rehefa miezaka manome valin-teny fohy.—Rom. 1:11, 12.
Hanampy antsika hanatona akaiky kokoa an’i Jehovah ny fandinihantsika ny boky Mivavaha. Izy io koa dia hahatonga antsika ho vonona hanampy ny olona tso-po, mba hanatevin-daharana antsika amin’ny fanompoana azy. (Sal. 95:6; Jak. 4:8) Enga anie isika rehetra handray soa amin’io fandaharana io.