Mozika Mamelombelona
1 Mitana toerana lehibe eo amin’ny fivavahana marina ny hira sy ny mozika. Nihira toy izao i Asafa sy ny rahalahiny, teo amin’ny Israely fahiny: “Miderà an’i Jehovah. . . . Mihirà ho Azy, mankalazà Azy; saintsaino ny fahagagana rehetra ataony.” (1 Tant. 16:8, 9) Mihira ho an’i Jehovah isika ankehitriny, any amin’ireo fivorian’ny fiangonana isan-kerinandro. (Efes. 5:19) Fomba tsara iderana ny anarany izany!—Sal. 69:30.
2 Ho feno hevitra avy ao amin’ny Baiboly koa ny saintsika, raha mihaino ny Feon-kiran’ilay Fanjakana isika. Hoy ny anabavy iray: “Rehefa mandeha ireo feon-kira, dia miverina ato an-tsaiko ny tonony. Tena tiako ilay izy satria sady misaintsaina momba an’i Jehovah aho no mankafy mozika!”—Fil. 4:8.
3 Fotoana ahafahana mihaino azy ireo: Tsara ny hihainoana ny Feon-kiran’ilay Fanjakana ao an-trano. Manatsara ny fifandraisantsika amin’i Jehovah izany, ary mampilamina ny fianakaviantsika. Nanoratra toy izao ny fianakaviana iray: ‘Averimberinay henoina foana ny Feon-kiran’ilay Fanjakana, na ao an-trano na ao anaty fiara. Tsy mankaleo mihitsy izy ireo, satria mampientanentana. Mampitony anay koa matetika ny mihaino azy, rehefa eo am-piomanana hamonjy fivoriana kristianina izahay, na rehefa eny an-dalana ho any amin’ny fivoriambe.’ Hoy ny anabavy iray: ‘Falifaly kokoa aho, rehefa mihaino azy ireo eo am-panaovana raharaha, ohatra hoe rehefa mamalona lamba. Tapa-kevitra aho fa hihaino azy ireo koa isaky ny kivikivy. Tena mamelombelona sy mahafaly izy ireo!’ Afaka mihaino azy ireo koa ve ianao?
4 Ahitana taratry ny toe-tsain’ity tontolo ity ny ankamaroan’ny mozika ankehitriny. Afaka mampiasa ny Feon-kiran’ilay Fanjakana ny ray aman-dreny, mba hanampiana ny zanany ho tia karazana mozika tsara. Ho faly koa ny mpianatra Baiboly sy ny olona liana maro, raha mihaino ireo mozika ireo, izay mahafinaritra sy manome voninahitra an’i Jehovah ary mamelombelona.—Sal. 47:1, 2; 96:1, 2.