Manampy Antsika ny Anjely
1 “Hiaraka aminareo foana aho, mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny rafitr’ity tontolo ity.” Mampahery tokoa ireo teny ireo, ho an’izay rehetra mitandrina ilay didin’i Jesosy hoe: ‘Koa mandehana àry, dia manaova mpianatra’! (Matio 28:18-20) Mampiasa ny anjeliny i Jesosy, ka izany no fomba iray miavaka iarahany amin’ny tena Kristianina. (Matio 13:36-43) Mampientam-po tokoa ny manambara ny “vaovao tsara mandrakizay” miaraka amin’ireny anjely mahatoky ireny!—Apok. 14:6, 7.
2 Eo amin’ny fanompoana: Lazain’ny Baiboly fa irahina “hikarakara an’ireo handova famonjena” ny anjely. (Heb. 1:14) Tamin’ny taonjato voalohany, dia ny anjely no anisan’ny nitarika ny mpianatr’i Jesosy hahita an’ireo mendrika. (Asa. 8:26) Mbola mahita porofon’izany koa ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny. Imbetsaka no nisy olona nilaza fa teo am-panaovana vavaka indrindra izy no tonga nitsidika azy ny Vavolombelona. Miara-mifaly amin’ireo anjely tokoa isika, rehefa mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana ny olona toy izany!—Lioka 15:10.
3 Rehefa sendra fanoherana: Narovan’i Jehovah tamin’ny alalan’ny anjely “mahery indrindra” i Daniela sy ireo tanora hebreo telo lahy namany, rehefa voasedra mafy. Narovany toy izany koa ny apostoly Petera sy ny maro hafa. (Sal. 103:20; Dan. 3:28; 6:21, 22; Asa. 12:11) Mety hahatsiaro ho tsy afa-manoatra isika indraindray, rehefa sendra fanoherana. Amin’izay dia hampahery antsika ny zava-nitranga tamin’ilay mpanompon’i Elisa, rehefa fantany fa ny mpomba azy no be noho ny mpomba ny fahavalony. (2 Mpanj. 6:15-17) Tsy tokony ho kivy isika, na dia tafasaraka tsy fidiny amin’ireo rahalahintsika kristianina aza. Manome toky toy izao mantsy ny Tenin’Andriamanitra: “Ny Anjelin’i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy.”—Sal. 34:7.
4 Tsy ho ela dia ho avy ny tafik’anjely hanaisotra izay rehetra manohitra ny fanjakan’i Kristy. (Apok. 19:11, 14, 15) Eo am-piandrasana izany, dia enga anie isika ho sahy hidera an’i Jehovah hatrany, ary hatoky tanteraka fa hanampy antsika ny tafika mahery any an-danitra, eo ambany fifehezan’i Kristy. —1 Pet. 3:22.