Mandrisika Antsika Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra
Nantitranterina tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra”, ilay toromarika mazava avy amin’i Jehovah hoe: “Ity no làlana, ka andehano.” (Isaia 30:21) ‘Hitandrina tsara hatrany ny fitondran-tenantsika’ isika, raha mampihatra ny toromarika azontsika. (Efes. 5:15) ‘Handeha hatrany ao amin’ny fahamarinana’ isika, raha misaintsaina izay nianarantsika.—3 Jaona 3.
Ampiasao ny fandraisanao an-tsoratra sy ireto fanontaniana ireto, mba hanomanana sy handraisana anjara amin’ny famerenana ny fandaharan’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra. Hatao amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ny herinandron’ny 18 Oktobra io famerenana io.
1. Nahoana i Enoka no nahavita niara-nandeha tamin’Andriamanitra, na dia nisafotofoto aza ny fiainana? (Heb. 11:1, 5, 6; Joda 14, 15; “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra na dia Misafotofoto aza ny Fiainana”)
2. Inona avy no toe-javatra azo ampiharana ny Lioka 16:10? (“ ‘Mahatoky Amin-javatra Madinika’ ve Ianao?”)
3. a) Inona avy ireo lesona efatra azo ampiharina, hita ao amin’ny Hosea toko faha-6 ka hatramin’ny faha-9, hanampy antsika hiara-mandeha amin’Andriamanitra? (Hosea 6:6, 7; 7:14; 8:7) b) Inona avy no hevitra fanampiny avy ao amin’ny Hosea toko faha-10 ka hatramin’ny faha-14, hanampy antsika hiara-mandeha amin’Andriamanitra? (“Manampy Antsika Hiara-mandeha Amin’Andriamanitra ny Faminanian’i Hosea”—Lahateny Mifampitohy)
4. Inona avy no azon’ny mpivady kristianina atao, mba hanamafisana hatrany ny fatoram-panambadiany? (Ohab. 12:4; Efes. 5:29; “Aza Sarahina ‘Izay Nampiraisin’Andriamanitra Zioga’ ”)
5. Ahoana no anehoantsika fanajana an’ireo fivoriana masina? (Mpit. 4:17; Isaia 66:23; “Manehoa Fanajana Ireo Fivoriana Masina”)
6. a) Inona avy ireo lafiny telo tokony hojerentsika akaiky, mba hampisy heviny ny fanompoantsika? (Isaia 52:7; Zak. 8:23; Marka 6:34) b) Inona no hitanao fa tena mahatsara an’ilay bokikely Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra? (“Vaovao Tsara ho An’ny Firenena Rehetra”; “Manampy Ireo Miteny Vahiny”)
7. Ahoana no azontsika anampiana ireo vaovao, mba hatoky tena rehefa mitory ny hafatra momba ilay Fanjakana? (Mpits. 7:17; “Manampy Olona Maro Hiara-manompo Aminy”)
8. Ahoana no ampisehoantsika fa tena miaiky isika hoe “efa antomotra ny andro lehiben’i Jehovah”? (Zef. 1:14; “Finoana no Andehanantsika, fa Tsy ny Hitan’ny Maso”)
9. a) Tena olana lehibe ve ny fanafintohinana? (Marka 9:42-48) b) Inona no tokony hataontsika mba tsy ho tafintohina? (Sal. 119:165) d) Inona no tokony hataontsika mba tsy hanafintohina olona? (1 Kor. 10:24; “Halaviro ny Fanafintohinana”)
10. Ahoana no ampisehoantsika fa mahay mandanjalanja isika, rehefa mitady vady sy mikarakara fahasalamana ary manao raharaham-barotra? (Sal. 26:4; Matio 6:25; 1 Tim. 6:9; “Aoka ho Mailo Tsara Foana Ianareo”)
11. a) Inona no nataon’i Jesosy, rehefa nisy nampiantrano azy? (Lioka 10:42; 24:32) b) Inona avy no fialam-boly mamelombelona azontsika atao? (1 Kor. 10:31-33; “Fialam-boly Mahasoa sy Mamelombelona”)
12. Inona avy no fitahiana azontsika ondrin’i Jehovah, ary inona avy no andraikitsika? (1 Kor. 10:21; “Jehovah no Mpiandry Antsika”)
13. Ahoana no anarahan’ny Kristianina ilay torohevitra avy amin’ny fanahy masina hoe “hararaoty tsara ny fotoana”? (Efes. 5:16; “Hararaoty Tsara ny Fotoana”)
14. a) Inona ilay ‘ora fitsarana’ resahin’ny Apokalypsy 14:7? b) Ahoana no anaporofoantsika fa tafasaraka tanteraka amin’ny Babylona Lehibe isika? (“ ‘Miambena Hatrany’, fa Tonga ny Ora Fitsarana”) d) Inona avy no hevitra tianao tao amin’ilay bokikely Miambena Hatrany!?
15. Milazà toetra telo ilaintsika mba tsy ‘handaozantsika ny lala-mahitsy.’ (2 Pet. 2:15; “Aza ‘Mandao ny Lala-mahitsy’ ”)
16. Inona no hanampy ny tanora handositra ny ‘lalan’ny ratsy fanahy’? (Ohab. 4:14; “Ry Tanora! Mandehana Amin’ny Lalan’ny Fahamarinana”)
17. a) Inona avy no mampiseho fa ohatra niavaka tamin’ny fiaretana i Paoly? (Asa. 14:19, 20; 16:25-33) b) Nahoana isika no tsy tokony hatahotra an’ireo manohitra ny fivavahana marina? (Fampisehoana tantara sy ilay lahateny hoe “Mitoria Hatrany na eo aza ny Fanoherana”)
18. Inona avy no soa azon’ireo miara-mandeha amin’Andriamanitra? (“Mahasoa Dieny Izao sy Mandrakizay ny Miara-mandeha Amin’Andriamanitra”)
Enga anie isika ho tapa-kevitra hankatò ilay ‘teny ao ivohontsika’, ka hiara-mandeha mandrakizay amin’ilay Raintsika any an-danitra.—Isaia 30:21; Jaona 3:36.