Fizarana 9—Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso
Ampiofano Hitory Tsy Ara-potoana ny Mpianatra
1 Tsy naharitra i Andrea sy Filipo rehefa nahalala hoe i Jesosy no Mesia nampanantenaina, ka lasa nilaza ilay vaovao tamin’ny olona. (Jaona 1:40-45) Voatosika hiresaka momba ny zavatra ianarany koa ny mpianatra Baiboly, rehefa manomboka mino izay ianarany. (2 Kor. 4:13) Ahoana àry no ampirisihana azy ireny hitory tsy ara-potoana? Ary ahoana no ampiofanana azy ireny mba hahay hanao izany?
2 Azonao anontaniana fotsiny ilay mpianatra raha efa niresaka tamin’ny olona ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly. Mety hisy namany na fianakaviany azony asaina hiara-mianatra aminy. Anontanio izy raha misy mpiara-miasa aminy, na mpiara-mianatra, na olom-pantany te handre ny vaovao tsara. Afaka manomboka mitory amin’ireny olona ireny izy. Ampio koa izy hahatakatra fa ilaina ny mahay manavaka sy manaja ny hafa ary ho tsara fanahy, rehefa miresaka momba an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany.—Kol. 4:6; 2 Tim. 2:24, 25.
3 Asaivo resahiny ny zavatra inoany: Tena tokony hozarina hampiasa ny Tenin’Andriamanitra ny mpianatra, rehefa miresaka ny zavatra inoany. Mifidiana hevi-dehibe mandritra ny fianarana, ary anontanio izy hoe: “Inona no andinin-teny azonao ampiasaina mba hanazavana io fahamarinana io amin’ny fianakavianao?” na “Inona no andinin-teny azonao ampiasaina mba hanaporofoana izany amin’ny namanao?” Diniho tsara ny fomba anaovany izany, ary asehoy azy izay tokony hatao mba hifototra amin’ny Soratra Masina ny fampianarany. (2 Tim. 2:15) Hampiofana azy hitory tsy ara-potoana ianao amin’izay, ary hanomana azy ho amin’ny fitoriana alamin’ny fiangonana, rehefa hahafeno fepetra izy.
4 Tsara raha ampiomanina hiatrika fanoherana ny mpianatra Baiboly. (Matio 10:36; Lioka 8:13; 2 Tim. 3:12) Mety ho afaka hitory izy, rehefa misy olona miresaka na manontany momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Hanampy azy ho ‘vonona hilaza ny fiarovan-tenany’ ny bokikely Ny Vavolombelon’i Jehovah—Iza moa Izy Ireo? Inona no Inoany? (1 Pet. 3:15) Azon’ireo vaovao ampiasaina izy io mba hanampiana ny havana aman-tsakaizany hahazo ny zavatra inoantsika avy ao amin’ny Baiboly, sy ny asa kristianina ataontsika.