1) Fanontaniana, 2) Andininy, ary 3) Toko
Izao no fomba tsotra hametrahana ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?: 1) Manontany ny hevitr’ilay olona, 2) Mamaky andininy iray, ary 3) Mampiseho toko iray ao amin’ilay boky, izay miresaka an’ilay foto-kevitra, ka mamaky ny fanontaniana fampidirana, eo ambanin’ny lohatenin’ilay toko. Mety ho afaka hampiseho ny fomba fianarana Baiboly ianao, raha liana ilay olona, ka hampiasa ireo fehintsoratra fanokafana an’ilay toko. Azo ampiasaina izany mba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny fitoriana voalohany, na rehefa miverina mitsidika.
◼ “Heverinao ve fa ho azontsika olombelona atao ny hahalala an’ilay Mpamorona mahery indrindra, araka ny lazain’ny Baiboly eto?” Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:26, 27, ary avelao ilay olona hamaly. Asehoy ny toko 1.
◼ “Maro ny zava-manahirana ankehitriny. Heverinao ve fa ho afaka hahazo fampaherezana sy fanantenana isika, araka ny voalaza eto?” Vakio ny Romanina 15:4, ary avelao ilay olona hamaly. Asehoy ny toko 2.
◼ “Hitondra ireto fiovana ireto ve ianao, raha nanana fahefana hanaovana izany?” Vakio ny Apokalypsy 21:4, ary avelao ilay olona hamaly. Asehoy ny toko 3.
◼ “Heverinao ve fa ho afaka hifaly amin’ny fiainana resahin’ity hira fahiny ity ny zanakao indray andro any?” Vakio ny Salamo 37:10, 11, ary avelao ilay olona hamaly. Asehoy ny toko 3.
◼ “Heverinao ve fa ho tanteraka ireto teny ireto indray andro any?” Vakio ny Isaia 33:24, ary avelao ilay olona hamaly. Asehoy ny toko 3.
◼ “Efa nanontany tena ve ianao raha mahafantatra izay ataon’ny velona ny maty?” Avelao ilay olona hamaly. Vakio ny Mpitoriteny 9:5, ary asehoy ny toko 6.
◼ “Heverinao ve fa mbola hahita ny havantsika efa maty isika indray andro any, araka ny lazain’i Jesosy ao amin’ireto andininy ireto?” Vakio ny Jaona 5:28, 29, ary avelao ilay olona hamaly. Asehoy ny toko 7.
◼ “Inona no heverinao fa hahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra eto an-tany, toy ny any an-danitra, araka ny voalaza ao amin’ity vavaka malaza ity?” Vakio ny Matio 6:9, 10, ary avelao ilay olona hamaly. Asehoy ny toko 8.
◼ “Heverinao ve fa miaina amin’ny fotoana resahin’ity faminaniana ity isika?” Vakio ny 2 Timoty 3:1-4, ary avelao ilay olona hamaly. Asehoy ny toko 9.
◼ “Maro ny olona manontany tena hoe nahoana no miharatsy ny zava-manahirana ny olombelona. Efa nieritreritra an’ity valiny iray ity ve ianao?” Vakio ny Apokalypsy 12:9, ary avelao ilay olona hamaly. Asehoy ny toko 10.
◼ “Efa mba naniry hahafantatra ny valin’ny fanontaniana toy ity ve ianao?” Vakio ny Joba 21:7, ary avelao ilay olona hamaly. Asehoy ny toko 11.
◼ “Heverinao ve fa hanampy ny olona hahita fahasambarana eo anivon’ny fianakaviana ny fampiharana ity torohevitry ny Baiboly ity?” Vakio ny Efesianina 5:33, ary avelao ilay olona hamaly. Asehoy ny toko 14.
Afaka manao tatitra fampianarana Baiboly ny mpitory, rehefa nianatra indroa ilay olona, taorian’ny nampisehoana ny fomba fianarana, ary azo inoana fa hitohy ilay fianarana.