Valin’ny Fanontanianareo
◼ Inona no loza mety hitranga raha mifandray amin’olon-tsy fantatra ao amin’ny Internet isika?
Be dia be ny pejy ao amin’ny Internet natokana ho an’izay maniry hifankahalala sy hifandray amin’olona. Afaka manoratra ny mombamomba azy ny olona, ao amin’ny maro amin’ireny pejy ireny. Azony alefa ao koa ny sariny sy ny zavatra hafa mahakasika azy. Afaka mifandray aminy avy eo, izay olona mahita izany. Tena tia mijery an’ireny pejy ireny sy manoratra ao ny tanora. Misy tanora eo anivon’ny fiangonana mihitsy aza mampiasa azy ireny, mba hifandraisana amin’olona mitonona ho Vavolombelon’i Jehovah.
Mety hanafina ny momba azy anefa ny olona mifandray amintsika ao amin’ny Internet. Mety tsy holazainy koa izay tena marina momba ny fifandraisany amin’i Jehovah, na ny antony ifandraisany amintsika. (Sal. 26:4) Mety ho olona voaroaka izy, na tsy Vavolombelona akory, na mpivadi-pinoana mitady hitaona antsika mihitsy aza. (Gal. 2:4) Voalaza fa mampiasa ireny pejy ao amin’ny Internet ireny koa ny mpametaveta ankizy, mba hitadiavana ankizy hanaovana firaisana.
Marina fa mety ho azontsika antoka hoe olona tsara laza eo anivon’ny fiangonana ilay mifandray amintsika. Mora mivadika ho resaka tsy mendrika anefa ny resaka ifanaovana ao amin’ny Internet. Sahisahy kokoa mantsy ny olona, rehefa tsy mifanatri-tava. Mety hihevitra koa izy ireo fa tsy misy mahita, ka tsy hahalala ny zavatra soratany na ny ray aman-dreniny na ny anti-panahy na ny olon-kafa. Mampalahelo fa voafandrika tamin’izany ny tanora sasany tezain’ny ray aman-dreny kristianina. Lasa manao resaka vetaveta ao amin’ny Internet izy ireny. (Efes. 5:3, 4; Kol. 3:8) Ny hafa mampiseho ny sariny manao fitafiana na fihetsika manaitra ny filan’ny nofo. Misy koa mamorona anaram-bosotra vetaveta ho an’ny tenany, na mampiseho raki-tsary (clip) ahitana miharihary olona manao firaisana.
Tokony hanara-maso izay ataon’ny zanany ao amin’ny Internet àry ny ray aman-dreny. (Ohab. 29:15) Tena mampidi-doza ny manasa olon-tsy fantatra hiditra ao an-tranontsika, na mamela azy hiaraka irery amin’ny zanatsika. Toy izany koa fa tena mampidi-doza ho antsika sy ho an’ny zanatsika ny minamana amin’ny olon-tsy fantatra ao amin’ny Internet, na dia mitonona ho Vavolombelon’i Jehovah aza izy ireny.—Ohab. 22:3.