Miezaha Hampitombo ny Fanompoanao
1 Nananatra ny Kristianina ny apostoly Paoly mba handeha hatrany amin’ny lalan’Andriamanitra, ary ‘hanao izany bebe kokoa aza.’ (1 Tes. 4:1) Ahoana no hanaovantsika izany? Tokony hitady fomba hampitomboana ny fanompoantsika foana isika, ary hiezaka hatrany ‘hanatanteraka tsara’ azy io.—2 Tim. 4:5.
2 Antony: Nahoana isika no miezaka hampitombo ny fanompoana? Satria maniry hanompo bebe kokoa ny Mpamorona isika. Te hanao fandrosoana isika, ka mitady fomba hanatsarana ny fanompoana. Ho tratrantsika ny tanjontsika, raha antony tsara no aniriantsika ho tonga amin’izany, ary tsy hamaivanintsika mihitsy ireo zavatra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah.—Sal. 1:1, 2; Fil. 4:6; Heb. 10:24, 25.
3 Tokony ho tia manome sy hahafoy tena koa isika. Ho vitantsika izany raha misaintsaina ny modely nomen’i Jesosy isika, ary mivavaka momba izany. (Matio 20:28) Tena faly i Jesosy nanompo ny hafa, tamin’izy teto an-tany. (Asa. 20:35) Afaka manahaka azy isika ka miahy ny hafa, ary mampitombo ny fanompoana raha vao afaka manao izany.—Isaia 6:8.
4 Ny andraikitry ny ray aman-dreny: Mbola kely ny ankizy dia efa azo ampiana haniry hanompo ny hafa sy hampitombo ny fanompoany. Voamarik’izy ireo ny fahazotoan’ny fianakaviany manao izany. Mbola kely, ohatra, ny rahalahy iray dia efa naniry hampitombo ny fanompoany, satria niara-nanao ny asa sasany teo anivon’ny fiangonana tamin’ny raibeny. Hitany fa nazoto sy faly io raibeny io, ka nanjary nitady fomba hanompoana ny hafa koa izy. Mpanampy amin’ny fanompoana izy izao.
5 Ilaina ny rahalahy mahafeno fepetra: “Raha misy olona miezaka ho tonga mpiandraikitra, dia maniry asa tsara izy.” (1 Tim. 3:1) Mandrisika ny rahalahy hahafeno fepetra mba hahazo andraikitra eo anivon’ny fandaminan’i Jehovah, ireo teny ireo. Tsy mila fahaizana manokana izy amin’izany. Hanao an’ilay Fanjakana ho loha laharana kosa izy, ary hazoto amin’ny fanompoana. (Matio 6:33; 2 Tim. 4:5) Hiezaka ny ho modely ho an’ny hafa koa izy.
6 Vokany eran-tany: Manafaingana ny asa fanangonana izao i Jehovah. (Isaia 60:22) Mila mampitombo haingana ny fanompoany àry ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Nisy 248 327 ny olona natao batisa eran-tany, tamin’ny 2006, izany hoe 680 mahery isan’andro! Aoka àry isika rehetra hitady fomba hampitomboana ny fanompoantsika!