Omeo Fanantenana ny Mahantra
1 Tena niahy ny mahantra i Jesosy. Nanao fahagagana izy indraindray mba hanomezana sakafo ny olona sy hanasitranana ny marary. Ny fitoriana ny “vaovao tsara” anefa no tena nifantohany. (Matio 11:5) Mbola mitondra soa ho an’ny mahantra sy ny olon-kafa ankehitriny, ny fanompoana ataon’ny Kristianina.—Matio 24:14; 28:19, 20.
2 Fanantenana azo antoka: Matetika ny mpitondra fivavahana no mampanantena ny mahantra fa hanan-karena izy ireo, raha mazoto manome vola ho an’ny fiangonana. Milaza anefa ny Baiboly, fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no hanafoana ny fahantrana sy hamaha ny olana rehetra mahazo ny olombelona. (Sal. 9:18; 145:16; Isaia 65:21-23) Mila torintsika amin’ny mahantra àry ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Hanome azy ireo fanantenana isika amin’izay, sady hanampy azy hahalala an’Andriamanitra sy hanompo azy.—Matio 5:3.
3 Nanambany ny mahantra ny Fariseo tamin’ny andron’i Jesosy, ka niantso azy ireny hoe ‘am-ha·’aʹrets, na “olon’ny tany.” “Zava-dehibe” tamin’i Jesosy anefa ny ‘ran’izy ireny’, na ny ainy. (Sal. 72:13, 14) Manahaka an’i Jesosy isika raha ‘mamindra fo’ amin’ny mahantra, ka tsara fanahy sy mangoraka azy ireny. (Ohab. 14:31) Tsy hanao teny manambany an’ireo olona mipetraka eny amin’ny tanànan’ny mahantra mihitsy isika, na ho kamo hitory eny. Mahantra ny maro amin’ireo olona mandray ny hafatra momba ilay Fanjakana.
4 Ampio dieny izao izy ireo: Manatsara kokoa ny fiainan’ny mahantra ny fampianarantsika azy ny toro lalan’ny Baiboly. Raran’ny Baiboly, ohatra, ny fimamoana, filokana, hakamoana, fifohana sigara, fihinanana paraky, ary ny fanao hafa mampahantra. (Ohab. 6:10, 11; 23:21; 2 Kor. 7:1; Efes. 5:5) Mampirisika ny olona ny Soratra Masina, mba hanao ny marina sy hiasa “amin’ny fo manontolo.” Izany no toetra takin’ny mpampiasa. (Kol. 3:22, 23; Heb. 13:18) Hita tamin’ny fanadihadiana iray, fa ny olona manao ny marina sy tsara fitondran-tena no tena tadiavin’ny ankamaroan’ny mpampiasa.
5 Hitan’i Jehovah ny fijalian’ny mahantra ary mangoraka azy ireo izy. Hamonjy “ny mahantra mitaraina” i Jesosy Kristy, amin’ny hoavy tsy ho ela. (Sal. 72:12) Mandra-pahatongan’izany, dia manana tombontsoa hampahery ny olona isika, anisan’izany ny mahantra. Afaka mitory amin’izy ireo ny hafatra manome fanantenana avy ao amin’ny Baiboly isika.