Torintsika ny Fanantenana Momba Ilay Fanjakana
1 Tsy manana fanantenana ny olona maro amin’izao andro farany izao. (Efes. 2:12) Ny sasany indray tsy hendry ka mitoky amin’ny harena, na ny mpitondra olombelona, na ny siansa, na ny zavatra hafa. Isika kosa manana fanantenana azo antoka momba ny hoavy, ary tena mahafaly izany. “Vatofantsiky ny aintsika” izy io, ary “azo antoka [sy] mafy orina.”—Heb. 6:19.
2 Hovana ho paradisa ny tany, rehefa hitondra ny Fanjakan’Andriamanitra. Hatsangana ireo havantsika efa maty. (Asa. 24:15) Tsy hisy intsony ny fahantrana, ny tsy rariny, ny aretina, ny fahanterana, ary ny fahafatesana. (Sal. 9:18; Matio 12:20, 21; Apok. 21:3, 4) Anisan’ny fampanantenan’i Jehovah efa ho tanteraka ireo. Inona amin’izy ireo no tena andrandrainao?
3 Torio ny vaovao tsara: Tsy maintsy torintsika amin’ny hafa ny fanantenana momba ilay Fanjakana. Raha tia an’Andriamanitra sy ny mpiara-belona isika dia hanahaka an’i Jesosy, ka ‘hilaza vaovao tsara amin’ny mahantra, hitory fanafahana amin’ny babo sy fampahiratana amin’ny jamba, hanafaka sy handefa ny torotoro fo.’ (Lioka 4:18) Nitory ny vaovao tsara teny an-tsena sy teny amin’izay nisy olona ny apostoly Paoly. Nifantoka tanteraka tamin’ny fanompoana izy. (Asa. 18:5) Raha mazoto mandray anjara amin’ny fanompoana toa an’i Paoly isika, dia hiaro ny fanantenantsika izany, ka tsy ho resin’ny “fanahian’ity tontolo ity sy ny famitahan’ny harena” isika.—Marka 4:19.
4 Mety ho sendra olona tsy miraika isika, na tsy liana amin’ny hafatra momba ilay Fanjakana, na manohitra mihitsy. Tsy mampihena ny fanantenantsika momba ilay Fanjakana anefa izany. ‘Hazonintsika mafy ny fanambarana ampahibemaso ny fanantenantsika, ka tsy hisalasala isika.’ (Heb. 10:23) “Tsy menatra ny vaovao tsara” isika. (Rom. 1:16) Mety hihaino antsika ny olona sasany amin’ny farany, rehefa tena manana finoana sy fikirizana isika.
5 Marina fa tokony hanampy ny olona isika mba hahitany fa miharatsy ny toe-javatra eran-tany, ary fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly izany. Tsy mpanambara loza anefa isika. Mifantoka amin’ny fanantenana momba ilay Fanjakana kosa isika rehefa mitory, ka miresaka momba ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Enga anie isika ho feno fahatokiana sy hafana fo foana rehefa mitory, ‘mba ho tena azo antoka tanteraka hatramin’ny farany ilay fanantenana.’—Heb. 6:11.