Valin’ny Fanontanianareo
◼ Mety ve ny mitehaka, amin’ny anjara rehetra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana?
Rehefa namorona ny tany i Jehovah, dia “niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra.” (Joba 38:7) Naniry hidera an’i Jehovah ireo anjely ireo, noho ny asa mahatalanjona nataony, izay fomba vaovao nampisehoany ny fahendreny sy ny hatsaran-toetrany ary ny heriny.
Tsara koa isika raha mankasitraka amim-pahatsorana ny ezaka nataon’ireo nanana anjara. Mitehaka, ohatra, isika any amin’ny fivoriambe, rehefa misy lahateny sy fampisehoana. Nitaky fotoana sy ezaka fanampiny tamin’ireo nanana anjara ny fanomanana azy ireny. Tsy vitan’ny hoe mankasitraka ny ezaka mafy ataon’izy ireo isika rehefa mitehaka, fa mankasitraka an’ireo toromarika omen’i Jehovah amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany koa.—Isaia 48:17; Matio 24:45-47.
Ary ahoana ny amin’ireo anjara amin’ny Sekolin’ny Fanompoana sy Fivoriana Momba ny Fanompoana? Tsy misy lalàna manohitra an’izany, raha avy amin’ny fo ilay izy. Mitehaka, ohatra, isika aorian’ny anjara voalohany ataon’ny mpianatra vaovao. Mora lasa fahazarana fotsiny anefa ny mitehaka, ka hanjary tsy hisy heviny intsony. Izany no mahatonga antsika tsy hitehaka amin’ny ankamaroan’ny anjara.
Na izany aza anefa, dia misy fomba hafa azontsika atao, mba hanehoana fankasitrahana ny toromarika raisintsika sy ny ezaka ataon’ireo manana anjara. Azontsika atao, ohatra, ny mihaino sy manaraka tsara an’ilay anjara. Azontsika atao koa ny miresaka mivantana amin’ilay nanana anjara rehefa vita ny fivoriana, ka mankasitraka ny ezaka nataony.—Efes. 1:15, 16.