FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 7/08 p. 1
  • Mandrava Zavatra efa Mafy Orina Isika

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mandrava Zavatra efa Mafy Orina Isika
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana Ianao no Mino Izay Inoanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • Ilana Fisainana ve ny Finoana?
    Mifohaza!—2011
  • Mahaiza Mampiasa “ny Sabatry ny Fanahy”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Fanohinana ny Fo Amin’ny Fahaiza-mandresy Lahatra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1998
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 7/08 p. 1

Mandrava Zavatra efa Mafy Orina Isika

1 Nanajamba ny fo sy ny sain’ny olona maro tamin’ny alalan’ny fampianaran-diso sy ny fitaka i Satana, hatramin’ny taonjato maro. Anisan’ny fampianaran-diso naeliny ny Andriamanitra telo izay iray, ny tsy fahafatesan’ny fanahy, ary ny afobe. Ataony koa izay isalasalan’ny olona momba ny hoe tena misy ve ny Mpamorona, sy ny hoe avy amin’Andriamanitra tokoa ve ny Baiboly. Misakana ny olona tsy hanaiky ny fahamarinana koa ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fanindrahindram-pirenena. (2 Kor. 4:4) Ahoana no handravantsika ireo zavatra efa mafy orina ireo?—2 Kor. 10:4, 5.

2 Voakasika ny fihetseham-po: Lalim-paka ao am-pon’ny olona matetika ny fitiavany ny zavatra ninoany hatry ny ela. Efa hatramin’ny mbola kely ny sasany no nino fampianaran-diso. Mba hanampiana ny olona toy ireny, dia mila asehontsika fa manaja ny heviny isika, rehefa miresaka aminy.—1 Pet. 3:15.

3 Manaja ilay olona isika, raha mamela azy hanazava ny zavatra inoany sy ny antony inoany izany. (Jak. 1:19) Mino ny tsy fahafatesan’ny fanahy angamba izy, satria nisy havan-tiany maty ka maniry hahita azy indray izy. Na mankalaza fety izy, satria mahafinaritra azy ny miaraka amin’ny fianakaviany amin’ireny fotoana ireny. Tokony hihaino azy isika mba hahafantarana ny fihetseham-pony. Hahita fomba mandaitra hanampiana azy isika amin’izay.—Ohab. 16:23.

4 Tahafo i Jesosy: Nanome modely tena tsara ho antsika i Jesosy, rehefa namaly ny fanontanian’ny lehilahy iray nahay Lalàna. Tsy namaly mivantana an’ilay lehilahy izy. Mety ho nolavin’ilay lehilahy mantsy izany, satria tena tiany ny zavatra ninoany. Nampiasa ny Soratra Masina kosa i Jesosy, nanontany ny hevitr’ilay lehilahy, ary nampisaintsaina azy tamin’ny alalan’ny fanoharana.—Lioka 10:25-37.

5 Mahavita mampiala ny olona amin’ny fampianaran’ny fivavahan-diso ny Tenin’Andriamanitra. (Heb. 4:12) Ho afaka hanohina ny fon’ny olona isika raha manam-paharetana. Mety hanampy azy handa ny fampianaran-diso sy hanaiky ny fahamarinana isika, raha manao izany. Manafaka mantsy ny fahamarinana.—Jaona 8:32.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara