FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/08 p. 1
  • Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandaharana ho An’ny Mpitory
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Fivoriamben’ny Faritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 8/08 p. 1

Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra

Ahoana no hataontsika mba tsy hivadihana manoloana an’ireo manohitra mafy ny fivavahana marina? Ahoana no hanoherantsika an’ity tontolo ity mba tsy hitaomany antsika hiverina any aminy? Hamaly an’ireo fanontaniana lehibe ireo ny fandaharan’ny fivoriamben’ny faritra ho an’ny taom-panompoana 2009, izay mitondra ny foto-kevitra hoe “Reseo Foana Amin’ny Tsara ny Ratsy.” (Rom. 12:21) Ho toy izao ny fandaharana:

Hanao an’ireto lahateny ireto ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra: “Hatanjaho ny Finoanao mba Handresena ny Ratsy Amin’ny Tsara”, “Mitandrema sao Matoky Tena Loatra!”, “Hifarana Tsy ho Ela ny Faharatsiana Rehetra!”, “Hatanjaho ny Finoana mba Handresena Izao Tontolo Izao.” Hanao an’ireto lahateny ireto kosa ny mpiandraikitra ny faritra: “Izao no Fotoana Tokony Hifohazana Hatrany!”, nalaina tao amin’ny Romanina 13:11-13; “Aza Kivy Amin’ny Andro Mahory”, nalaina tao amin’ny Ohabolana 24:10. Tsy andrintsika koa ny hanaovan’ny mpiandraikitra ny faritra an’ilay anjara hoe “Fandinihana ny Zavatra Ilain’ny Faritra.” Mampahery be koa ilay anjara hoe “Afaka Hanao ny ‘Fanompoan’ny’ Mpisava Lalana ve Ianao?” Hisy lahateny mifampitohy roa mandritra an’io fivoriambe io, ny voalohany dia mitondra ny lohateny hoe “Tohero ny Teti-dratsin’ny Devoly.” Hanampy antsika izy io hamantatra ny fitaky ny Devoly eo amin’ny sehatry ny teknolojia sy ny fialam-boly ary ny fanabeazana. Ary hahitantsika ny fomba hampiharana ny Efesianina 6:10-18 ilay lahateny mifampitohy hoe “Mahazoa Hery Hanoherana An’i Satana.”

Mifandray ny fandresena ny ratsy hatrany amin’ny fotony, sy ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Apok. 12:17) Tsy mahagaga àry raha tafihin’i Satana foana ny Vavolombelon’i Jehovah. (Isaia 43:10, 12) Tsy hahomby mihitsy anefa ny Devoly, satria efa tapa-kevitra isika fa ‘horesentsika foana amin’ny tsara ny ratsy.’ Alamino tsara àry ny fotoananao, mba handraisanao soa feno avy amin’ny fandaharana manontolo mandritra io fivoriamben’ny faritra io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara