Tena Ilaina ny Fianarana Samirery sy ny Fianaram-pianakaviana!
1. Inona no irin’ny Filan-kevi-pitantanana hataon’ny mpitory tsirairay, ary nahoana?
1 Tena mihevitra izay hahasoa ny vahoakan’i Jehovah ny Filan-kevi-pitantanana ankehitriny, toy ny tamin’ny taonjato voalohany ihany. (Asa. 15:6, 28) Mihantomotra hatrany ny fahoriana lehibe, ka tena mila manana fifandraisana tsara amin’i Jehovah ny mpitory tsirairay. Ahoana àry no hampiasanao ny fotoana nanaovana Fianarana Boky teo aloha? Ampirisihina ny rehetra hampiasa izany mba hanaovana fianaram-pianakaviana. Ho afaka handalina bebe kokoa ny Tenin’Andriamanitra sy handray soa avy amin’izany isika, raha mampiasa amim-pahendrena an’io fotoana io.—Sal. 1:1-3; Rom. 11:33, 34.
2. Ahoana no tokony hanaovana ny fianaram-pianakaviana?
2 Fianaram-pianakaviana: Ampirisihina ny loham-pianakaviana hiantsoroka ny andraikitra nomen’i Jehovah azy, ka hiezaka hitarika fianaram-pianakaviana tsy tapaka sy hanao izany amin’ny fomba tsara. (Deot. 6:6, 7) Ireo rahalahy sy anabavy mpitovo izay tsy manana andraikitra ara-pianakaviana kosa, dia ampirisihina hampiasa an’io fotoana io mba hanaovana fianarana samirery sy fikarohana. Tena mila ‘hararaotintsika tsara ny fotoana’ mba hianarana sy hisaintsainana. Hanana finoana matanjaka foana isika amin’izay, mba hiatrehana an’izao fiainana feno ‘faharatsiana’ izao.—Efes. 5:15, 16.
3, 4. Inona no azo ianarana, ary inona no tokony ho tanjona amin’ilay fianarana?
3 Inona no hianarana? Azo atao ny mikaroka fanazavana ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahitana foto-kevitra mahaliana ny fianakaviana. Azon’ny fianakaviana atao koa ny mandinika lahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana, toy ny “Torohevitra Hahasambatra ny Fianakaviana”, “Ampianaro ny Zanakao”, ary “Ho An’ny Ankizy sy ny Tanora.” Ny gazety Mifohaza! indray, dia ahitana ny lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora” sy ireo lahatsoratra miresaka momba ny zavaboary mahatalanjona.
4 Manampy ny mpianakavy hitadidy sy hampihatra ny toro lalan’Andriamanitra ny famakiana Baiboly, rehefa tsy atao maimaika. (Heb. 4:12) Azo atao koa indraindray ny mijery ny video navoakan’ny fandaminana, ary avy eo manao fiaraha-midinika momba izany. Azo ovaovana ny zavatra ianarana sy ny fomba anaovana ilay fianarana. Nahoana raha anontaniana ny fianakavianao ny zavatra tiany hianarana?
5. Nahoana no tena zava-dehibe ny fianarana samirery sy ny fianaram-pianakaviana ankehitriny?
5 Nahoana no tena ilaina? Ho afaka hijoro sy hahita ny famonjen’i Jehovah isika, raha manatsara ny fifandraisantsika aminy. (Eks. 14:13) Mila ny fitarihan’Andriamanitra ny ray aman-dreny mba hahafahany hanabe ny zanany “eo anivon’ny taranaka tsy marina sy ratsy fanahy.” (Fil. 2:15) Mila fanampiana ny ankizy mba hiatrehany ny fitondran-tena miharatsy hita any an-tsekoly. (Ohab. 22:3, 6) Tokony hohamafisin’ny mpivady koa ny fifandraisany amin’i Jehovah, izay oharina amin’ny “tady randran-telo.” (Mpit. 4:12) Aoka àry isika hampiasa amim-pahendrena ny fotoana sisa tavela, mba hahatonga antsika hiorina tsara eo amin’ny “finoantsika masina indrindra.”—Joda 20.