Niray saina sy niadana daholo ny zavaboary rehetra, teo ambany fitondran’Andriamanitra
Nahoana Isika no Mila ny Fanjakan’Andriamanitra?
I Jehovah, ilay Mpamorona antsika, ihany no nitondra tamin’ny olombelona vao noforonina. Mpitondra tena be fitiavana izy. Nanao zaridaina tsara tarehy atao hoe Edena, ohatra, izy mba hipetrahan’ny olona. Nomeny sakafo be dia be sy asa mahafa-po koa izy ireo. (Genesisy 1:28, 29; 2:8, 15) Mbola ho niadana foana ny olombelona hoatr’izay raha nanaiky an’Andriamanitra ho mpitondra azy.
Tsy nanaiky an’Andriamanitra ho Mpitondra azy ny olombelona voalohany
Hazavain’ny Baiboly fa nikomy ny anjely iray, izay nantsoina hoe Satana Devoly tatỳ aoriana. Sahy nilaza izy fa tsy manana zo hitondra Andriamanitra. Ho sambatra kokoa, hono, ny olombelona raha tsy Andriamanitra no mitondra azy ireo. Nampalahelo fa nikomy hoatran’i Satana koa i Adama sy Eva, ireo ray aman-drenintsika voalohany.—Genesisy 3:1-6; Apokalypsy 12:9.
Tsy nanaiky an’Andriamanitra ho Mpitondra azy i Adama sy Eva, ka tsy afaka nipetraka tao amin’ny Paradisa intsony. Lasa tsy lavorary koa izy ireo, ka tsy afaka nanantena ny hiaina mandrakizay intsony. (Genesisy 3:17-19) Nisy vokany tamin’ny taranany koa ny fanapahan-keviny. Milaza ny Baiboly hoe noho i Adama nanota dia lasa niditra teo amin’izao tontolo izao ny ota, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana. (Romanina 5:12) Nisy olana hafa nipoitra koa rehefa lasa mpanota ny olona. Hoy ny Mpitoriteny 8:9: “Nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.” Midika izany hoe tsy maintsy hisy foana ny olana rehefa ny olombelona no mitondra.
LASA NIFAMPITONDRA NY OLOMBELONA
Nikomy tamin’i Jehovah i Nimroda
I Nimroda no mpitondra olombelona voalohany resahin’ny Baiboly. Nanohitra ny fitondran’i Jehovah izy. Nisy mpitondra nanampatra fahefana foana nanomboka tamin’izay. Nilaza toy izao i Solomona Mpanjaka, 3 000 taona teo ho eo izay: “Hitako ny ranomason’ny ampahorina, nefa izy tsy nisy nampionona. Teo am-pelatanan’izay nampahory azy mantsy ny fahefana.”—Mpitoriteny 4:1.
Mbola hoatr’izany ihany amin’izao. Ny tsy fahaizana mitondra “no anisan’ny tena mahatonga ny olana eran-tany”, araka ny lahatsoratra iray navoakan’ny Firenena Mikambana tamin’ny 2009.
HANAO ZAVATRA ANDRIAMANITRA!
Mila mpitondra mahay kokoa sy fitondrana tsara kokoa ny olombelona. Izany mihitsy no nampanantenain’ilay Mpamorona antsika!
Na ny fitondrana tsara indrindra naorin’ny olombelona aza tsy nahavita namaha ny olana lehibe atrehin’ny olona
Nanorina Fanjakana, na fitondrana, Andriamanitra. Hisolo ny fitondran’olombelona izy io, ary “haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.” (Daniela 2:44) Io Fanjakana io ilay angatahin’ny olona an-tapitrisany amin’ny vavaka. (Matio 6:9, 10) Tsy Andriamanitra mivantana anefa no hitondra an’io Fanjakana io. Nanendry olona iray efa niaina teto an-tany izy mba ho Mpitondra. Iza izany?