“Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
1. Inona no antony namoahana ny boky “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”?
1 Tsy andrintsika erỳ ny hianarana an’ilay boky vaovao hoe “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”, amin’ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana, manomboka ny herinandron’ny 23 Febroary! Nanoratra ho an’izay rehetra tia an’i Jehovah ny Filan-kevi-pitantanana. Izao no namaranany ny teniny: ‘Antenainay fa hanampy anao hampihatra ny fahamarinana foana ity boky ity. Hitoetra “ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra” ianao amin’izay, sady “mitsinjo ny fiainana mandrakizay.”—Joda 21.’
2. Inona avy no hanampian’io boky vaovao io antsika?
2 Inona avy no hianarantsika ao? Ho hitantsika ny fomba hampiharana ny toro lalan’ny Baiboly eo amin’ny resaka namana, fialam-boly, fanajana fahefana, fahazarana, fanambadiana, fiteny ary fombafomba. Hamolavola ny feon’ny fieritreretantsika hifanaraka amin’ny fitsipika ambony ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izany. (Sal. 19:7, 8) Rehefa azontsika tsara kokoa ny fomba fihevitr’i Jehovah, dia haniry hampifaly azy isika, ka hankatò azy eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika.—Ohab. 27:11; 1 Jaona 5:3.
3. Nahoana isika no tokony hiezaka mafy mba handray anjara isan-kerinandro?
3 Aoka ianao ho vonona handray anjara: Ataovy tanjona ny hidera an’Andriamanitra eo anivon’ny fiangonana, rehefa manomana ianao. (Heb. 13:15) Hiara-mianatra an’ilay boky ny fiangonana manontolo. Kely kokoa no hianarana ka ho afaka hanomana tsara isika rehetra, ary hatoky tena kokoa rehefa handray anjara. Handrisika ny hafa ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara isika raha manome valin-teny voaomana tsara sy fohy. Ho velombelona ny fianarana amin’izay, ary hiana-javatra isika. (Heb. 10:24) Ho faly be koa isika rehefa samy maneho ny finoantsika amin’ny alalan’ny valin-teny.
4. Nahoana isika no tena mila mitandrina ny didin’i Jehovah?
4 Nilaza i Jesosy tamin’ny alina farany niainany teto an-tany, fa tsy hiala amin’ny fitiavan’Andriamanitra isika, raha mitandrina ny didiny. (Jaona 15:10) Hanampy antsika ny boky “Fitiavan’Andriamanitra” mba ho tena tapa-kevitra ny hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika andavanandro, sy ‘hitoetra ao amin’ny fitiavan’Andriamanitra.’—Joda 21.