Manatanjaka ny Finoantsika ny Asa Fitoriana
1. Inona no soa raisintsika raha mazoto mitory isika?
1 Matanjaka kokoa ny finoantsika ary sambatra kokoa isika, rehefa mazoto mitory. Ny hampifaly an’i Jehovah aloha no tena antony hanompoantsika azy, nefa mandray soa hafa koa isika sady tahin’i Jehovah raha manaiky ‘hitory ny teny.’ (2 Tim. 4:2; Isaia 48:17, 18) Nahoana tokoa moa ny asa fitoriana no manatanjaka ny finoantsika sady mahasambatra antsika?
2. Nahoana no azo lazaina fa manatanjaka ny finoantsika ny fanompoana?
2 Fitahiana sy finoana matanjaka: Rehefa mitory isika dia manjary mifantoka amin’ny fitahiana hoentin’ilay Fanjakana, fa tsy amin’ireo olana mahazo antsika. (2 Kor. 4:18) Matanjaka kokoa ny finoantsika an’ireo fampanantenan’i Jehovah ary mankasitraka kokoa ny fahamarinana isika, rehefa manazava ny Baiboly. (Isaia 65:13, 14) Vao mainka tapa-kevitra kokoa ny hisaraka amin’izao tontolo izao isika, rehefa manampy olona handroso sy ‘tsy ho anisan’izao tontolo izao.’—Jaona 17:14, 16; Rom. 12:2.
3. Inona avy ireo toetra kristianina manjary ananantsika raha mazoto manompo isika?
3 Manampy antsika hanana toetra kristianina ny fanompoana. Manjary manetry tena kokoa, ohatra, isika rehefa miezaka ho ‘tonga zava-drehetra amin’ny karazan’olona rehetra.’ (1 Kor. 9:19-23) Manjary mahay mangoraka sy miara-miory amin’ny hafa kokoa isika rehefa mitory amin’olona “nampahorina sady naparitaka toy ny ondry tsy misy mpiandry.” (Mat. 9:36) Manjary mahay miaritra isika rehefa manompo foana, na dia tsy miraika sy manohitra aza ny olona. Faly kokoa isika rehefa mikely aina manampy olona.—Asa. 20:35.
4. Ahoana no fiheveranao ny fanompoana ataonao?
4 Sambatra tokoa isika manompo sy midera an’Ilay hany mendrika ny hivavahana! Manatanjaka ny finoantsika ny fanompoana. Handray fitahiana be dia be àry isika raha mifantoka tanteraka amin’ny ‘fitoriana amin’ny fomba feno ny vaovao tsara.’—Asa. 20:24.