Ampianaro ny Tsy Mahay Mamaky Teny Tsara
1. Inona no zava-tsarotra mety ho hitantsika rehefa manompo?
1 Indraindray isika mahita olona tsy dia mahay mamaky teny, rehefa manompo. Sarotra ny mampianatra azy ireny ny fahamarinana. Inona àry no azontsika atao?
2. Nahoana isika no tokony hanaja an’ireo tsy mahay mamaky teny tsara? Ahoana no hanaovantsika izany?
2 Hajao izy: Ny toe-po no zava-dehibe amin’i Jehovah, fa tsy ny fianarana azo. (1 Sam. 16:7; Ohab. 21:2) Tsy hanambany an’ireo tsy mahay mamaky teny tsara àry isika. Hanaiky mora foana ny fanampiantsika izy ireny raha manaja sy manam-paharetana isika. (1 Pet. 3:15) Mety hidika izany hoe tsy hanery azy hamaky andinin-teny na fehintsoratra isika. Ho vonona kokoa hanatsara ny fahaizany mamaky teny izy rehefa mahalala ireo fahamarinana sarobidy ao amin’ny Baiboly. Amin’izay izy dia ho afaka hankafy ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra “moramora andro aman’alina.”—Sal. 1:2, 3.
3. Ahoana no azo ampianarana ireo tsy mahay mamaky teny tsara?
3 Fomba fampianatra: Fomba tena tsara hampianarana ny sary sady manampy hitadidy. Azo anontaniana an’ilay mpianatra izay hitany eo amin’ilay sary ao amin’ny boky ampiasainao. Mametraha fanontaniana voafaritra tsara avy eo mba ho azony izay tian’ilay sary hambara. Mamakia andinin-teny manasongadina ny hevi-dehibe eo amin’ny sary. Azo ampiasaina hanaovana famerenana koa ny sary. Aza atao be loatra ny zavatra ianarana isaky ny mianatra. Asongadino ny loha hevitra sy ireo hevi-dehibe, ary aza mivaona amin’ny fianarana. Vakio mivantana ao amin’ny Baiboly ireo andinin-teny, ary mametraha fanontaniana hahitana raha azon’ilay mpianatra izay novakinao. Mety handrisika azy hanatsara ny fahaizany mamaky teny izany, ka ho afaka hianatra samirery fahamarinana maro kokoa ao amin’ny Baiboly izy.
4. Ahoana no azo anampiana ny olona ampianarintsika hahay hamaky teny tsara kokoa?
4 Fitaovana hanatsarana vakiteny: Mety ho mahira-tsaina sy tena mahatadidy ny olona tsy mahay mamaky teny tsara na tsy mamaky teny misosa tsara. Azo ampirisihina izy mba hihaino ny famakiana ny bokintsika noraisim-peo. Hahay hamaky teny tsara kokoa izy raha mihaino sy manaraka ilay vakiteny ao amin’ny boky sady mamerina manonona ireo teny. Hanampy azy koa ny bokikely Miezaha Mamaky Teny sy Manoratra. Mety handamina kilasy fianarana mamaky teny eo anivon’ny fiangonana koa ny anti-panahy any amin’ny faritra sasany. Hanampy antsika hampianatra ireo tsy mahay mamaky teny tsara izany soso-kevitra mahasoa izany. Ho takatr’izy ireo àry amin’izay “ny Soratra Masina”, izay hampahahendry azy ho amin’ny famonjena.—2 Tim. 3:15.