FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/09 p. 2
  • Vonona Hitory any Am-pianarana ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Vonona Hitory any Am-pianarana ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Mitovitovy Aminy
  • Efa Vonona ve ny Zanakao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Ry Tanora — Hararaoty ny Fianaranareo any An-tsekoly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Vonona ho amin’ny fidiran’ny mpianatra ve ireo zanakao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1990
  • Tokony Tsy Hianatra Intsony ve Aho?
    Mifohaza!—2010
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 8/09 p. 2

Vonona Hitory any Am-pianarana ve Ianao?

1. Afaka manararaotra manao inona ianao amin’izao fidiran’ny mpianatra izao?

1 Hiatrika olana sy fanerena vaovao ny tanora kristianina, na vao hiditra hianatra izy na hisondrotra kilasy. Fotoana azo hararaotina anefa izany mba ‘hanambarana ny marina.’ (Jaona 18:37) Vonona hitory any am-pianarana ve ianao?

2. Inona no hanampy anao ho vonona hitory any am-pianarana?

2 Natao hanampiana anao hahomby eo amin’ny fiainana ny fampiofanana maro avy amin’i Jehovah sy ny ray aman-dreny ary ny mpanompo mendri-pitokisana sy malina. (Ohab. 1:8; 6:20; 23:23-25; Efes. 6:1-4; 2 Tim. 3:16, 17) Azo inoana àry fa efa fantatrao ny fisedrana hatrehinao any am-pianarana. Ny fahalalana izany sy ny fampiofanana avy amin’Andriamanitra, dia manomana anao hitory any. (Ohab. 22:3) Diniho tsara ireo toromarika sy torohevitra ara-baiboly omena ao amin’ireo boky Manontany ny Tanora, sy ireo lahatsoratra ho an’ny tanora ao amin’ny Mifohaza!

3. Ahoana avy no ahafahanao mitory any am-pianarana?

3 Faritany miavaka tokoa ny any am-pianarana, ary ho afaka hitory amin’ny fomba maro samihafa ianao. Voamariky ny hafa, ohatra, fa modely eo amin’ny fitafiana sy taovolo ianao, tsara fitondran-tena sy fomba fiteny, manaja ny mpiara-mianatra sy ny mpampianatra, ary tsara naoty mihitsy aza. Tsapany fa tsara kokoa ny fiainanao, ka mety hanontany izy hoe: “Nahoana ianao no tsy mba toy ny ankizy hafa?” (Mal. 3:18; Jaona 15:19; 1 Tim. 2:9, 10) Mety ho afaka hitory sy hanazava izay inoanao ianao amin’izay. Azo inoana fa hiatrika olana ianao mandritra ny taona, rehefa tonga ny fetim-pirenena na fety hafa. Raha misy manontany anao hoe nahoana ianao no tsy mandray anjara, dia aza milaza fotsiny hoe: “Vavolombelon’i Jehovah aho, ary mandrara izany ny fivavahako.” Hararaoty kosa izany mba hitoriana momba an’i Jehovah, ilay Rainao be fitiavana. Ho vonona hitory amin’ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra ary ny hafa ianao, raha miomana tsara eo ambany fitarihan’i Jehovah.—1 Pet. 3:15.

4. Nahoana no azo antoka fa ho afaka hitory ianao mandritra ny taom-pianarana?

4 Mety ho somary hatahotra ny hitory any am-pianarana ianao. Matokia anefa fa maro no hanampy anao sady maniry ny hahombiazanao. Miara-paly aminao izahay, noho ianao afaka mitory amin’ny hafa ao amin’ilay faritany miavaka misy anao. Aoka àry ianao ho be herim-po sy ho vonona hitory any am-pianarana!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara