Manomboha Fampianarana Baiboly Amin’ny Oktobra!
1. Inona no hapetratsika amin’ny Oktobra?
1 Ny gazety Tilikambo sy Mifohaza! no hapetratsika amin’ny Oktobra. Ampiasao ny taratasy mivalona Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? mba hanampiana ny olona liana sy hanombohana fampianarana Baiboly. Inona àry no holazaintsika rehefa miverina mitsidika?
2. Ahoana no azo ampiasana ny taratasy mivalona Hahafantatra ny Marina mba hanombohana fampianarana Baiboly?
2 Ampiasao ilay taratasy mivalona: Afaka milaza isika hoe: “Mandrisika ny olona rehetra tsy an-kanavaka hianatra Baiboly ilay gazety nomeko anao iny. [Atolory ny taratasy mivalona Hahafantatra ny Marina, ary asehoy ireo fanontaniana eo amin’ny pejy voalohany.] Manome valiny mahafa-po an’ireto fanontaniana mahaliana ireto ny Baiboly. Efa mba nanitikitika ny sainao ve ny iray amin’ireto?” Avelao izy hamaly. Iaraho midinika avy eo ny valin’ny fanontaniana nofidiny. Mamakia andinin-teny iray voatonona ao. Hazavao fa santionany fotsiny amin’izay ampianarin’ny Baiboly izany. Atolory ilay boky Ampianarina, ary asaivo mifidy loha hevitra iray eo amin’ny pejy 2 izy. Diniho ny fehintsoratra voalohandohany ao amin’ilay toko nofidiny. Na koa ilay loha hevitra noresahinareo tao amin’ilay taratasy mivalona ihany no itadiavo fanazavana misimisy kokoa ao amin’ilay boky. Mety hanampy antsika ireto:
● Tena miahy antsika ve Andriamanitra? (p. 9-11, feh. 6-10)
● Hifarana ve ny ady sy ny fijaliana? (p. 12, feh. 12-13)
● Inona no manjo ny maty? (p. 59-60, feh. 7-8)
● Mbola hahita ny havantsika efa maty ve isika? (p. 71, feh. 13-15)
● Ahoana no ahazoako valim-bavaka? (p. 166-167, feh. 5-8)
● Ahoana no hahasambatra ahy? (p. 9, feh. 4-5)
3. Inona no fomba hafa azo atao rehefa miverina mitsidika?
3 Angamba isika tsy nahavita nanomboka na nampiseho ny fomba fianarana amin’ilay boky Ampianarina, rehefa niverina nitsidika voalohany. Azontsika atao ny mankany amin’ilay olona indray, ka amin’izay tohizina ny resaka. Mety ho hitantsika koa fa tsy tena liana izy. Afaka miverimberina mitsidika azy àry aloha isika, ka mandinika fanontaniana hafa ao amin’ilay taratasy mivalona, ary aorian’izay vao mampiseho ilay boky. Enga anie isika hampiasa tsara io taratasy mivalona tena tsara io amin’ny Oktobra, mba hanombohana fampianarana Baiboly sy hanampiana olona tso-po ‘hahafantatra ny marina’!—Jaona 8:31, 32.