FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/10 p. 1
  • “Aza Matahotra”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Aza Matahotra”
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • ‘Torio Amim-pahasahiana ny Tenin’Andriamanitra’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2010
  • Manampy Antsika Handresy ny Tahotra ny Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Hanome Hery Anao i Jehovah!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Tahafo i Jesosy ka Aoka Ianao ho Sahy Hitory
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 10/10 p. 1

“Aza Matahotra”

1. Inona no olana natrehin’i Jeremia, ary mety hatrehintsika koa?

1 Nihevi-tena ho tsy nahay i Jeremia, rehefa notendrena ho mpaminany. Nanome toky azy anefa i Jehovah hoe: “Aza matahotra.” Nampahery azy tamin-katsaram-panahy koa izy mba hamitany ny asa nanirahana azy. (Jer. 1:6-10) Mety tsy ho sahy hitory koa isika indraindray, raha saro-kenatra na tsy matoky tena. Mety hatahotra koa isika hoe ahoana no handraisan’ny olona na hiheverany antsika. Inona àry no hanampy antsika handresy tahotra, ary inona ny fitahiana ho azontsika amin’izany?

2. Nahoana isika no tsy dia hatahotra loatra raha manomana tsara?

2 Miomàna mialoha: Tsy dia hatahotra loatra isika raha manomana tsara. Ho haintsika, ohatra, ny hamaly an’ireo fanoherana fahitantsika, raha efa nomanintsika mialoha izy ireny. (Ohab. 15:28) Nahoana raha manao fanazaran-tena mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, mba ho vonona tsara hiatrika olana any am-pianarana na eny amin’ny fanompoana?—1 Pet. 3:15.

3. Nahoana isika no afaka mandresy tahotra raha matoky an’i Jehovah?

3 Matokia an’i Jehovah: Azo antoka fa tsy dia hatahotra loatra isika, raha miantehitra amin’ilay Andriamanitsika. Nanome antoka i Jehovah hoe hanampy antsika. (Isaia 41:10-13) Koa inona indray no hatahorantsika? Nanome toky antsika koa i Jesosy fa na misy zavatra tsy ampoizina aza, dia ho afaka hitory tsara foana isika noho ny fanampian’ny fanahy masin’Andriamanitra. (Mar. 13:11) Iangavio foana àry i Jehovah mba hanome ny fanahiny masina.—Lioka 11:13.

4. Inona avy no fitahiana ho azontsika raha manohy mitory foana isika, na dia misy olana aza?

4 Fitahiana ho azontsika: Hanana hery hiatrehana sy handresena ny fitsapana ho avy isika, raha manohy mitory foana, na dia misy olana aza. Hanana toetra mampiavaka an’ireo olona feno fanahy masina koa isika, izany hoe ho be herim-po sy ho sahy hitory. (Asa. 4:31) Hanana finoana matanjaka koa isika sady hatoky kokoa ny famonjen’i Jehovah, rehefa miantehitra amin’ny fanampiany mba handresena tahotra. (Isaia 33:2) Ho faly sy ho afa-po koa isika satria fantatsika fa mampifaly an’ilay Raintsika any an-danitra. (1 Pet. 4:13, 14) Aoka àry isika tsy hatahotra fa ho sahy hitory an’ilay Fanjakana, ary hatoky foana hoe manampy antsika i Jehovah!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara