Tsy Hodinihina Amin’ny Fivoriana Alohan’ny Fanompoana Intsony ny Teny Vakina Isan’andro
Azo nodinihina nandritra ny fivoriana alohan’ny fanompoana ny teny vakina isan’andro taloha, raha nifandray tamin’ny fanompoana izy io. Novana anefa izany. Tsy tokony hampiasaina intsony ny Fandinihana ny Soratra Masina Isan’andro, mba hakana hevitra hodinihina mandritra ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Toy ny taloha anefa, dia azon’ny mpitarika ampiasaina ny Baiboly, Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, ny boky Sekolin’ny Fanompoana, ny boky Fandresen-dahatra, ary ny boky hafa mifandray amin’ny fanompoana. Tokony hanomana zavatra azo ampiharina eny amin’ny fanompoana ireo voatendry hitarika, mba hanampiana an’ireo mpitory. Tokony ho 10 ka hatramin’ny 15 minitra ilay fivoriana, fa tsy hihoatra. Tokony ho fohy kokoa anefa izy io raha aorian’ny fivorian’ny fiangonana no anaovana azy.