Ampiasao Izy Ireny fa Aza Avela Hitoby Fotsiny
Manana boky na gazety tranainy miangona fotsiny ny fiangonana maro. Nahoana ianao raha mba maka amin’izy ireny, mba hataonao eo amin’ny fitehirizam-bokinao? Marina aloha hoe mety ho afaka hamaky azy ireny ao amin’ny Watchtower Library ianao. Tena ilaina koa anefa ny manana an’ilay boky na gazety. Manana mpianatra mandroso ve ianao? Ampirisiho koa izy mba haka amin’ireny boky na gazety tranainy ireny, mba hataony eo amin’ny fitehirizam-bokiny. Tokony hojeren’ny mpiandraikitra ny sekoly raha misy an’ireny boky na gazety tranainy ireny ny fitehirizam-bokin’ny Efitrano Fanjakana. Mbola mahasoa foana izy ireny. Tena tsara àry raha ampiasaintsika izy ireny, fa tsy avela hitoby fotsiny.