FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 2/12 p. 1
  • Eritrereto Dieny Izao Izay Hataonao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Eritrereto Dieny Izao Izay Hataonao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Ataovy Mahafinaritra ny Vanim-potoanan’ny Fahatsiarovana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Hanao Mpisava Lalana Mpanampy ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Ambarao Hatraiza Hatraiza ny Hatsaran-toetran’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Ampitomboy ny Fanompoanao mba Hiderana An’i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 2/12 p. 1

Eritrereto Dieny Izao Izay Hataonao

1. Inona no mampiavaka ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana? Ary inona no azontsika atao dieny izao?

1 ‘Mankalaza fatratra an’i Jehovah’ isika isaky ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana. (Sal. 109:30) Te hankasitraka azy mantsy isika noho izy nanome ny vidim-panavotana. Hanompo bebe kokoa àry ve ianao mandritra ny volana Martsa? Alamino dieny izao izay hataonao.—Ohab. 21:5.

2. Inona no tsapanao rehefa nahare an’ilay fandaharana vaovao tamin’ny Aprily ianao? Ary inona no tsapan’ny mpitory hafa?

2 Mpisava lalana mpanampy: Tena faly ny fiangonana rehetra tamin’ny herintaona rehefa naheno fa hihena ny ora hotakina amin’ny mpisava lalana mpanampy, ny volana Aprily. Hoy ny rahalahy iray: “Mbola mianatra any amin’ny lise aho, dia tsy afaka manao mpisava lalana maharitra. Ilay 30 ora no hataoko, fa hanenjika 50 ora ihany aho.” Nanoratra ny anabavy iray miasa tontolo andro hoe: “Mora kely ny manatratra an’izany 30 ora izany!” Hoy koa ny anabavy iray 80 taona mahery, izay efa mpisava lalana taloha: “Efa ela no niandrasako an’izany! Fantatr’i Jehovah mihitsy hoe tena tiako ilay nanao mpisava lalana!” Ny hafa indray tsy afaka nirotsaka ho mpisava lalana, ka nampitombo ny fanompoany.

3. Nahoana no tsara hanaovana mpisava lalana mpanampy amin’ny Martsa sy Aprily ary Mey?

3 Tena tsara hanaovana mpisava lalana mpanampy amin’ny Martsa, satria ho afaka hifidy indray isika, na hanatratra 30 ora na 50 ora. Tsy vitan’izay fa hanao ezaka manokana isika, manomboka ny asabotsy 17 Martsa, mba hanasana olona hanatrika ny Fahatsiarovana amin’ny 5 Aprily. Tena hahafinaritra ny fanompoana, ka azo inoana fa maro no mbola hanao mpisava lalana amin’ny Aprily sy Mey. Hiverina ho 50 ny ora takina amin’ireo volana ireo.

4. Inona no azontsika atao raha te hanompo bebe kokoa isika, ary inona no ho vokany?

4 Maninona raha resahina mandritra ny fotoam-pivavahan’ny fianakavianareo manaraka hoe inona no azon’ny tsirairay atao, mba hanompoana bebe kokoa amin’ireo volana ireo? (Ohab. 15:22) Mangataha koa amin’i Jehovah mba hitahy ny ezaka hataonao. (1 Jaona 3:22) Raha manompo bebe kokoa ianao, dia vao mainka hidera azy sy ho tena faly.—2 Kor. 9:6.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara