Nampiseho ny Finoany ny Vavolombelon’i Jehovah—Fizarana Voalohany: Niala Tamin’ny Haizina
Ampifandraisina amin’ny hazavana ny fahamarinana, ao amin’ny Baiboly. Ampifandraisina amin’ny lainga kosa ny haizina. (Sal. 43:3; Isaia 5:20) Nanomboka nisy ny haizina ara-panahy rehefa namitaka an’i Eva i Satana. Lasa tao anaty haizina tanteraka izao tontolo izao tatỳ aoriana. (Apok. 12:9) Tao anatin’izany haizina izany no niseho ny hazavana ara-panahy. (Isaia 60:1, 2) Tamin’ny fomba ahoana? Izany no resahin’ilay DVD hoe Nampiseho ny Finoany ny Vavolombelon’i Jehovah—Fizarana Voalohany: Niala Tamin’ny Haizina. Rehefa avy mijery azy io ianao, dia valio ireto:
1) Ahoana no nahatonga ny haizina ara-panahy hanjaka, rehefa maty ny apostoly? 2) Inona no nitranga tamin’ny taona 1100 tany ho any, ka nanampy ny olona hahita hoe niala tamin’ny fahamarinana ny fiangonana? 3) Iza i Henry Grew sy George Storrs? 4) Inona no nitranga teo amin’ny fiainan’i Charles Russell, ka tena nisy vokany taminy? 5) Ahoana no nataon’ny Rahalahy Russell sy ny rainy ary ny naman’izy ireo, rehefa nianatra Baiboly? Inona avy ny zavatra hitan’izy ireo tamin’izany fianarana izany? 6) Ahoana no nahatonga an’i Russell sy ny namany hiaraka tamin-dry Nelson Barbour? Nahoana anefa ny Rahalahy Russell no nisaraka tamin’i Barbour tatỳ aoriana? 7) Inona no nitranga tamin’ny Jolay 1879, ka nampiposaka ny hazavana ara-panahy? 8) Inona no nataon’ireo Mpianatra ny Baiboly, taorian’izay, mba hampielezana ny vaovao tsara? 9) Inona no efa fantatry ny Mpianatra ny Baiboly mialoha momba ny taona 1914? 10) Inona no olana natrehin’ireo Mpianatra ny Baiboly, rehefa maty ny Rahalahy Russell? 11) Inona no nataon’ireo Mpianatra ny Baiboly, rehefa nafahana tany am-ponja ny Rahalahy Rutherford sy ireo namany? 12) Nahoana io DVD io no nanampy anao hahafantatra sy hankasitraka bebe kokoa ny fandaminan’i Jehovah? 13) Nahoana io DVD io no nahatonga anao ho tapa-kevitra hitory foana, na dia mety hisy olana aza? 14) Ahoana no azontsika ampiasana an’io DVD io mba hanampiana ny havantsika, sy ny olona ampianarintsika Baiboly, ary ny olon-kafa?
Namela lova ara-panahy sarobidy ho antsika tokoa ireo Mpianatra ny Baiboly! Be herim-po sy nazoto izy ireo nitondra hazavana teto amin’ity tontolo feno haizina ity. Aoka àry isika hanahaka azy ireo, ka hampiseho amin’ny fomba fiainantsika hoe “zanaky ny mazava” isika.—Efes. 5:8.