FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/12 p. 1
  • Mitandrema Rehefa eny Am-pitoriana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitandrema Rehefa eny Am-pitoriana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Valin’ireo Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1994
  • ‘Tanterahinao Tsara’ ve ny Fanompoanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2019
  • Aoka Ianao Hahita Vokatra eo Amin’ny Fanompoanao
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Fomba Itoriana ny Vaovao Tsara
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 5/12 p. 1

Mitandrema Rehefa eny Am-pitoriana

1. Nahoana isika no tokony ho malina rehefa eny am-pitoriana?

1 Mitory “eo anivon’ny taranaka tsy marina sy ratsy fanahy” isika, ka “toy ny ondry eo afovoan’ny amboadia.” (Mat. 10:16; Fil. 2:15) Fandre matetika ny fisavorovoroana sy ny herisetra ary ny fakana an-keriny. Hita mihitsy hoe ‘miharatsy kokoa ny ratsy fanahy.’ (2 Tim. 3:13) Manampy antsika “ho malina” anefa ny toro lalan’ny Baiboly rehefa eny am-pitoriana.—Mat. 10:16.

2. Rahoviana isika no mila miala eo amin’ilay toerana itoriantsika ary mitory any an-kafa?

2 Tokony ho malina isika: Milaza ny Ohabolana 22:3 fa mila “miafina” isika rehefa mahatsinjo loza. Tokony ho mailo foana isika, satria mety hisy fisavorovoroana tampoka eny amin’ny faritanintsika. Mety hisy polisy maromaro tonga eny, na mety hisy olona mitangorongorona. Te hiaro antsika ny olona itoriana indraindray, ka mampitandrina antsika. Malina àry isika raha miala avy hatrany eo amin’ilay toerana ary mitory any an-kafa, fa tsy variana mijery izay mitranga.—Ohab. 17:14; Jaona 8:59; 1 Tes. 4:11.

3. Ahoana no ampiharana ny toro lalana ao amin’ny Mpitoriteny 4:9 rehefa manompo?

3 Aza mandeha irery: “Tsara ny roa noho ny iray”, hoy ny Mpitoriteny 4:9. Mety ho zatra manompo irery ny mpitory any amin’ny toerana tsy dia misy atahorana firy. Tsy tsara kosa raha mandeha irery ny anabavy na ny tanora iray, any amin’ny toerana hafa, indrindra fa rehefa mitory amin’ny takariva. Hita ihany koa fa tsara foana ny miaraka tsiroaroa, na dia efa mitandrina tsara aza isika. (Mpito. 4:10, 12) Araho maso ireo miara-mitory aminao, ary ilazao foana izy ireo rehefa handao ny faritany ianao.

4. Inona no azontsika atao mba ho voaro foana ireo anisan’ny fiangonana?

4 Manome tari-dalana mifanaraka amin’ny zava-misy eo amin’ny faritanintsika ny anti-panahy, mba ‘hiarovana antsika hatrany.’ (Heb. 13:17) Mila manetry tena sy miara-miasa tsara amin’izy ireo isika mba hotahin’i Jehovah. (Mika 6:8; 1 Kor. 10:12) Enga anie isika hanatanteraka tsara ny fanompoantsika sady ho mailo foana rehefa manao izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara