FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/12 p. 1
  • Arovy ny Feon’ny Fieritreretanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Arovy ny Feon’ny Fieritreretanao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no Hanananao Feon’ny Fieritreretana Madio Foana?
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
  • Inona no Azoko Atao mba Hiasa Tsara ny Feon’ny Fieritreretako?
    Manontany ny Tanora
  • Tsara Ofana ve ny Feon’ny Fieritreretanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
  • Feon’ny Fieritreretana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 8/12 p. 1

Arovy ny Feon’ny Fieritreretanao

1. Inona no foto-kevitry ny fivoriambe manokana amin’ny taom-panompoana 2013, ary inona no zava-kendren’ny fandaharana?

1 Maro ny zava-mitranga isan’andro, izay mety hahatonga antsika tsy hihaino ny feon’ny fieritreretantsika. Izany no mahatonga ny fivoriambe manokana amin’ny taom-panompoana 2013 hitondra ny foto-kevitra hoe “Arovy ny Feon’ny Fieritreretanao.” (1 Tim. 1:19) Hanomboka ny 1 Septambra 2012 izy io. Fanomezana sarobidy avy amin’ny Mpamorona ny feon’ny fieritreretana. Hanampy antsika handinika tsara ny fomba ampiasantsika azy io ny fandaharana.

2. Inona avy ny fanontaniana hovaliana mandritra ny fandaharana?

2 Inona no horesahina any? Hamaly ireto fanontaniana fito ireto ny fandaharana:

• Inona no mety hanimba ny feon’ny fieritreretana?

• Ahoana no hampiofanana ny feon’ny fieritreretana?

• Inona no hanampy antsika ho afaka amin’ny ran’ny olona rehetra?

• Olona manao ahoana isika, rehefa jerena ny fomba fandraisantsika ny toro lalan’ny Baiboly sy ny fampiharantsika azy ireny?

• Inona no hanampy antsika tsy handratra ny feon’ny fieritreretan’ny hafa?

• Inona no hanampy ny tanora tsy hivadika rehefa misy manery azy hampandefitra ny finoany?

• Inona no fitahiana ho azon’ireo mihaino ny feon’ny fieritreretany voaofan’ny Baiboly?

3. Inona no azontsika atao mba handraisana soa avy amin’ny fandaharana?

3 Hampian’i Jehovah, ilay Raintsika be fitiavana, isika ka hahatohitra ireo tetik’i Satana hanimbana ny feon’ny fieritreretantsika. Manome ny Teniny sy ny fandaminany izy mba hilazana hoe: “Ity no lalana ka andehano.” (Isaia 30:21) Anisan’ny fomba anomezany izany tari-dalana izany io fivoriambe io. Ataovy àry izay hanatrehana ny fandaharana rehetra. Mihainoa tsara ary eritrereto ny fomba hampiharana ny fanazavana homena any. Tsara raha miresadresaka momba ny fandaharana ny mpianakavy rehefa mirava. ‘Hanana feon’ny fieritreretana madio’ foana isika raha mampihatra ny toromarika ho azontsika. Tsy ho variana amin’ny fahafinaretana mihelina atolotry ny tontolon’i Satana koa isika, ary tsy hiala amin’ilay lalana atoron’i Jehovah.—1 Pet. 3:16.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara