Mahasoa Antsika ny Fisian’ny Andia-mpitory
1. Inona no fitahiana noraisintsika tamin’ny Fianarana Boky ary mbola raisintsika ao amin’ny andia-mpitory?
1 Malahelo an’ilay Fianarana Boky taloha ve ianao? Vitsivitsy kokoa ny olona tamin’ireny, ka nahazo aina kokoa isika. Mora ny nahita namana afaka manohana antsika eo amin’ny lafiny ara-panahy. (Ohab. 18:24) Nahafantatra tsara ny toe-javatra misy antsika tsirairay koa ny mpiandraikitra ny Fianarana Boky, ka afaka nampahery antsika. (Ohab. 27:23; 1 Pet. 5:2, 3) Mbola afaka mahazo an’ireo fitahiana ireo isika amin’ny alalan’ny andia-mpitory.
2. Ahoana no ahitana namana afaka manohana eo amin’ny lafiny ara-panahy, ao amin’ny andia-mpitory misy antsika?
2 Manaova zavatra: Mitovitovy amin’ny isan’ny mpitory tao amin’ny Fianarana Boky ihany ny isan’ny mpitory ao amin’ny andia-mpitory tsirairay. Hifandray akaiky ny mpitory ao amin’ny andia-mpitory, raha ‘miaraka’ miasa eny amin’ny fanompoana. (Fil. 1:27) Firy amin’ny mpitory ao amin’ny andia-mpitory misy anao no efa niarahanao nanompo? Nahoana raha ‘manalalaka ny fonao’, ka miara-miasa amin’ny mpitory maro kokoa? (2 Kor. 6:13) Azontsika atao koa ny manasa mpitory ao amin’ny andia-mpitory misy antsika, mba hiara-hisakafo na hanao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana miaraka amintsika. Mifandimby ny andia-mpitory ao amin’ny fiangonana sasany, manasa an’ireo mpandahateny mpitsidika. Rehefa tonga ny anjaran’ny andia-mpitory iray, dia miara-misakafo sy mifampahery ny mpitory ao aminy, na hijanona hisakafo ilay mpandahateny mpitsidika na tsia.
3. Inona no azonao atao mba hahazoana fampaherezana amin’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory?
3 Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fikarakarana ny ondry, na dia indroa isan-kerinandro aza sisa ny fiangonana no mivory. Notendrena ny mpiandraikitra ny andia-mpitory tsirairay, mba hampahery ny mpitory tsirairay sy hampiofana azy amin’ny fanompoana. Raha mbola tsy nanao fotoana hiara-manompo aminao ny mpiandraikitra ny andia-mpitorinareo, nahoana raha mangataka mba hiara-manompo aminy? Ankoatra izany, dia manokana faran’ny herinandro iray isam-bolana ny mpiandraikitra ny fanompoana, mba hiarahana manompo amin’ny andia-mpitory samihafa. Mety ho indroa isan-taona izy no hitsidika ny andia-mpitory tsirairay, raha vitsy ny isan’ny andia-mpitory. Mandamina ny fotoananao ve ianao, mba hahafahanao manompo rehefa mitsidika ny andia-mpitorinareo izy?
4. a) Ahoana no andaminana ny fivoriana alohan’ny fanompoana? b) Nahoana isika no tokony handinika raha azo ampiasaina hanaovana fivoriana alohan’ny fanompoana ny tranontsika?
4 Matetika no mahasoa raha samy manana ny fivoriana alohan’ny fanompoany ny andia-mpitory tsirairay, amin’ny faran’ny herinandro. Rehefa maromaro mantsy ny toerana hanaovana fivoriana alohan’ny fanompoana, sady hatao amin’ny fotoana mitovitovy ilay izy, dia tsy ho sahirana handeha lavitra ny mpitory. Vetivety koa dia ho tonga eny amin’ny faritany izy ireo. Ho voalamina haingana ny mpitory, ary ho afaka hankeny amin’ny faritany avy hatrany avy eo. Ho mora kokoa amin’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory koa ny hikarakara an’ireo mpitory iandraiketany. Mety ho tsy maintsy atambatra anefa ny andia-mpitory roa na mihoatra, noho ny toe-javatra sasany. Raha miara-manao fivoriana alohan’ny fanompoana ny fiangonana manontolo ny asabotsy voalohan’ny volana, na aorian’ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana, dia mahasoa matetika raha miara-mipetraka ny iray andia-mpitory. Tokony homena minitra vitsivitsy ny mpiandraikitra ny andia-mpitory mba handaminany ny mpitory ao aminy, ary avy eo vao faranana amin’ny vavaka ny fivoriana.—Jereo ilay hoe “Azo Ampiasaina ve ny Tranonao?”
5. Inona no azo antoka na dia tsy misy intsony aza ny Fianarana Boky?
5 Mbola omen’i Jehovah antsika foana izay rehetra ilaintsika mba hanaovana ny sitrapony, na dia tsy misy intsony aza ny Fianarana Boky. (Heb. 13:20, 21) Tsy ory na inona na inona isika, satria mikarakara antsika izy. (Sal. 23:1) Afaka mahazo fitahiana maro isika eo anivon’ny andia-mpitory misy antsika. Raha miezaka manao zavatra àry ianao, ka “mamafy be”, dia “hijinja be.”—2 Kor. 9:6.
[Efajoro, pejy 6]
Azo Ampiasaina ve ny Tranonao?
Tsy ampy ny toerana anaovana fivoriana alohan’ny fanompoana indraindray, ka mitambatra ny andia-mpitory sasany amin’ny faran’ny herinandro. Tombontsoa be ny hoe mampiasa ny tranontsika mba hanaovana an’io fivoriana io, satria anisan’ny fandaharan’ny fiangonana ihany izy io. Diniho àry hoe azo anaovana fivoriana alohan’ny fanompoana ve ny tranonao. Tsy mampaninona na tsotsotra aza ilay trano. Hodinihin’ny anti-panahy ny toerana misy ny tranonao, sy ny lafiny hafa izay efa nodinihina rehefa nitady toerana hanaovana Fianarana Boky. Miresaha amin’ny mpiandraikitra ny andia-mpitory misy anao, raha tianao hasiana fivoriana alohan’ny fanompoana ao an-tranonao.