FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/13 p. 1
  • Inona no Mandrisika Antsika Hitory?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Mandrisika Antsika Hitory?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no Dikan’ny hoe Tia Namana?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • “Tiavo ny Namanao Tahaka ny Tenanao”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2014
  • Tonga Hatraiza ny Fitiavanao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • ‘Tia ny Namanao Tahaka ny Tenanao’ ve Ianao?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
km 5/13 p. 1

Inona no Mandrisika Antsika Hitory?

1. Inona no ifandraisan’ny fitiavana sy ny fanompoana?

1 Ny fitoriana ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra no asa mahafa-po indrindra ankehitriny. Raha manao izany isika dia mampiseho fa mankatò ny didy roa lehibe indrindra, dia ny ho tia an’i Jehovah sy ny namantsika. (Mar. 12:29-31) Handrisika antsika hazoto hitory ny fitiavana.—1 Jaona 5:3.

2. Nahoana ny fitoriantsika no mampiseho fa tia an’i Jehovah isika?

2 Fitiavana an’i Jehovah: Tiantsika i Jehovah, ilay Namantsika akaiky indrindra, ka te hiaro ny lazany isika. Nanendrikendrika azy i Satana nandritra ny 6 000 taona teo ho eo. (2 Kor. 4:3, 4) Lasa mino àry ny olona hoe mampijaly ny mpanota any amin’ny afobe Andriamanitra, telo izay iray izy, ary tsy miraharaha ny olombelona. Maro mihitsy aza no mihevitra fa tsy misy Andriamanitra. Tena tiantsika ho fantatry ny olona ny marina momba an’ilay Raintsika any an-danitra. Faly be izy rehefa miezaka mafy ho vavolombelony isika, fa tezitra kosa i Satana.—Ohab. 27:11; Heb. 13:15, 16.

3. Nahoana no azo lazaina hoe tia ny namantsika isika rehefa manompo?

3 Fitiavana ny namana: Isaky ny mitory isika dia mampiseho hoe tia ny olona itoriantsika. Tena mila mandre vaovao tsara ny olona amin’izao fotoan-tsarotra izao. Maro no mitovy amin’ny mponin’i Ninive tamin’ny andron’i Jona, satria “tsy mahalala akory ny havia sy havanany.” (Jona 4:11) Mampianatra ny olona hanana fiainana tsara sy ho sambatra ny fanompoantsika. (Isaia 48:17-19) Manome fanantenana azy ireo izany. (Rom. 15:4) “Hovonjena” izy ireo raha mihaino sy manaraka ny zavatra ianarany.—Rom. 10:13, 14.

4. Inona no tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy?

4 Tsy amin’ny fotoana voafaritra ihany ny ankizy hendry vao mampiseho ny fitiavany ny ray aman-dreniny. Miezaka manao izany amin’ny fotoana rehetra kosa izy ireo. Tena tia an’Andriamanitra sy ny namantsika koa isika ka izany no mandrisika antsika hanararaotra hitory amin’ny fotoana rehetra, fa tsy amin’ny fotoana voafaritra ihany. Tsy hitsahatra hitory isika. (Asa. 5:42) Tsy hohadinoin’i Jehovah mihitsy izany fitiavana asehontsika izany.—Heb. 6:10.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara