Tahafo Ireo Mpaminany: Amosa
1. Nahoana no mampahery antsika ny ohatr’i Amosa?
1 Efa nahatsapa ho tsy nahay nitory ve ianao satria mahantra na tsy dia nahita fianarana? Hampahery anao ny ohatr’i Amosa raha izany. Mpiompy ondry izy sady manao ny asan’ny tantsaha tsindraindray mandritra ny taona. Nomen’i Jehovah hery anefa izy mba hitory hafatra tena lehibe. (Amosa 1:1; 7:14, 15) Mampiasa olona tsotsotra toy izany koa i Jehovah ankehitriny. (1 Kor. 1:27-29) Inona koa ny lesona ianarantsika momba ny fanompoana avy amin’ny ohatr’i Amosa?
2. Nahoana isika no afaka ny tsy hivadika rehefa misy manohitra eny amin’ny fanompoana?
2 Aza mivadika rehefa misy fanoherana: Nandre ny tenin’i Amosa i Amazia, mpisorona sy mpivavaka amin’ny ombilahikely tany amin’ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely tany avaratra. Toy ny nilaza izy tamin’izay hoe: ‘Andeha mandeha any fa efa manana ny fivavahanay izahay!’ (Amosa 7:12, 13) Nangataka tamin’i Jeroboama Mpanjaka izy mba tsy hamela an’i Amosa haminany intsony ka naolany ny zavatra nolazain’i Amosa. (Amosa 7:7-11) Tsy natahotra anefa i Amosa. Mitady fanampiana amin’ny mpitondra fanjakana koa ny mpitondra fivavahana ankehitriny mba handrarana ny asan’ny vahoakan’i Jehovah. Mampanantena anefa i Jehovah fa tsy hisy hahomby izay fiadiana hamelezana antsika, ary na misy aza izany dia tsy haharitra.—Isaia 54:17.
3. Inona ny zavatra roa torintsika ankehitriny?
3 Torio ny didim-pitsaran’Andriamanitra sy ny fitahiana ho avy: Naminany momba ny didim-pitsarana manameloka ny fanjakan’ireo foko folon’ny Israely i Amosa. Niresaka momba ny fitahiana be dia be nampanantenain’i Jehovah koa anefa izy rehefa namarana an’ilay bokiny ao amin’ny Baiboly. (Amosa 9:13-15) Miresaka momba ny ‘andro fitsaran’Andriamanitra’ ho avy koa isika, nefa tsy izay fotsiny ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” tsy maintsy torintsika. (2 Pet. 3:7; Mat. 24:14) Ho lasa paradisa koa ny tany aorian’ny handringanan’i Jehovah ny ratsy fanahy ao Hara-magedona.—Sal. 37:34.
4. Nahoana isika no matoky fa ho vitantsika ny hanao ny sitrapon’i Jehovah?
4 Betsaka no manohitra rehefa mitory isika, ka azo antoka hoe ho sarotra ny hiaina mifanaraka amin’ny fanokanan-tenantsika sy ny hanao ny sitrapon’i Jehovah, na dia tapa-kevitra ny hanao an’izany aza isika. (Jaona 15:19) Afaka matoky anefa isika fa hanome an’izay ilaintsika foana i Jehovah mba hanaovantsika ny sitrapony, toy ny nataony tamin’i Amosa.—2 Kor. 3:5.